Vokatra ny varin’Ambohitrimanjaka – Vary 1 taonina ho fanampiana ny traboina noho ny andro ratsy

Vokatra ny varin’Ambohitrimanjaka - Vary 1 taonina ho fanampiana ny traboina noho ny andro ratsy

Araka ny efa nanarahantsika azy, vokatra tamin’ity volana febroary ity ny varin’Ambohitrimanjaka sy ny manodidina. Taona zina ny teny an-toerana tamin’ity taom-pamokarana ity. Noho izay antony izay, vary miisa 21 gony izay milanja iray taonina eo, no natolotry terak’Ambohitrimanjaka ny Bngrc (Bureau National de Gestion des Risques et des catastrophes) ny alakamisy tolakandro teo, tetsy Antanimora. Ho fanampiana sy ho fitsinjovana ny mpiray tanindrazana manoloana ny trangana voina vokatry ny rotsak’orana be efa ho 3 herinandro mahery lasa izay, izao fanampiana izao.

Nilaza ny loholon’i Madagasikara, Randriamanantsoa Jafetra, fa nanao izay azony natao ny vahoakan’Ambohitrimanjaka, izay misy Fokontany miisa 25, ho fanangonana an’ity fanomezana ity ary mijoro ny terak’ Ambohitrimanjaka manoloana ny voin-kava mahatratra, sy ny fihavanana Malagasy, ka nanatitra izao fanampiana izao. Nanamafy ny Loholona Randriamanantsoa Jafetra, fa ny tanànan’Ambohitrimanjaka dia mamokatra sy malaza amin’ny fambolem-bary ary mamatsy sakafo ny mpiray tanindrazana ihany koa. Tsy vitan’izany, nanohy nanazava ity Loholon’i Madagasikara ity fa vakoka mampiavaka an’ny Malagasy ihany koa ny tantaran’Ambohitrimanjaka ary tanindrazana ho an’ny taranaka mifandimby. Nanamafy izy fa matoky ny tompon’andraikitry ny Bngrc ny zanak’Ambohitrimanjaka amin’ny fitsinjarana ny fanampiana any amin’ny Faritra, izay itondrana izany ary manaja ny rafitra rehetra napetraky ny Fanjakana amin’ny fitantanana ny vary. Namarana ny teniny ny Loholona Randriamanantsoa Jafetra, fa ny tanim-bary no entina ahavelomana, ny tany kosa entina hanotofana raha maty.

Izao fanampiana natolotry ny mponina eny Ambohitrimanjaka sy ny manodidina izao no midika fa mahavokatra iny tanimbary be eny amin’ny lemaka manodidina an’Antananarivo iny, ary manana amby ampy izy ireo raha vary no resahana, ny dikany tsy hanaiky mihitsy izy ireo ny hanotofana ity lemak’i Betsimitatatra ity.

Franck Razakambelo