Andry Rajoelina – Manainga Zipo sy Kianja Rasolonjatovo Ambatondrazaka – Mandainga no sady tsy mahavita

Efa-bolana katroka ny 15 Febroary 2020 no nilazàn’ny filoha hajaina mamimbahoaka Andry Nirina Rajoelina fa ho vita ny lalana Manainga Zipo eo amin’ny RN3A mampitohy an’i Vohidiala mankany Amparafaravola.

Tsy misy asa nanomboka hatramin’ny nametrahana ny vato fehizoro. Araka ny kabary nataony anefa dia ho vita ny lalana afaka efa-bolana ary tsy hanainga zipo intsony ny vehivavy.

Ny kianja Rasolonjatovo Ambatondrazaka koa dia tsy araka ny fampanantenana fa ho vita afaka efa-bolana koa.

Ny azo lazaina izany dia sady mandainga izy no tsy mahavita. Tsy araka ny teniny hoe “ianareo no tsy nahavita, ianareo no nandainga, fa ny tenako sy ny governemanta miaraka amiko, mahavita sady tsy mandainga tompokolahy sy tompokavy!”.