NY FIDINANA ENY IFOTONY

Voakiana mafy ny mpitondra ka mba midina eny ifotony.
Tsy hanao inona izy anefa fa hanohy ny sai-malotony!
Laingalainga, fitapitaka, ary fampandriana adrisa,
Izany sisa mba ataony, eny, tena izany sisa.

Voakiana mafy ny mpitondra ka mba midina eny ifotony.
Hita fa tsy miery anefa ny hevi-jiolahimbotony.
Ny hitaona ny vahoaka mba hanaiky izay lazainy,
Izany hatrany no kinendriny ary masaka ao an-tsainy.

Voakiana mafy ny mpitondra ka mba midina mizaha.
(Efa tsara aloha izany, velom-bolo ny tantsaha !)
Fa saingy ho fandaniam-potoana sy ho tampi-maso ihany,
Raha tsy miova ilay fisainany haka an-keriny ny tany.

Voakiana mafy ny mpitondra, ka mba midina mijery.
Tena hita hatrany anefa fa mitohy ny teritery.
Mody antsoiny ny olom-bitsy, avy eo somary omeny “felaka”,
Dia tereny hanohana any: hitehaka sy hisolelaka.

…Ny fidinana eny ifotony, tena zavatra ilaina,
Hitsarana fa ianao dia tena miasa tsy malaina.
Saingy esory ireo vahiny tsy hanohy ny fangalarany,
Raha tsy izay, ho eo ‘zahay, ka tsy hanaiky hatramin’ny farany.

DADAN’i ZINA (13-02-2020)