EDITO 30 Janoary – Iray volana tsy nahitana mangirana izay hihatsarany ny fiainam-bahoaka

Sôh’son

Mamarana ny volana voalohany sahady amin’ity taona vaovao ity isika ankehitriny. Iray volana nifamahofaho tamin’ny toe-javatra maro samihafa teto amin’ny firenena. Niseho izany tamin’ny sehatra politika, ny ara-tsosialy ary ny ara-toekarena. Tsy hita ho nitondra soa ho an’ny vahoaka sy ny firenena anefa ireny rehetra ireny hatreto.

Teo amin’ny lafiny politika, dia niaraha-nahita ny zava-tsy manjary nitranga teo amin’ny fifidianana ben’ny tanàna. Niainga hatrany am-panomanana sy nandritry ny andron’ny fifidianana ary ny famoahana ny vokatra vonjimaika sy ny ofisialy. Nampihivingivina ny olom-pirenena ny zava-nitranga tamin’ity farany. Mbola tantara mitohy ny amin’io raharaha io satria misy ny fampiakarana fitsarana ambony ny amin’izany. Hanao ahoana ihany koa ny valiny? Ho hita eo na ho hany hampitsiry ny fanantenana ho an’ny olom-pirenena vanona, na hampangidy fara ny resaka fifidianana eto amin’ity firenena ity, ka ho maizina ny ho avy sisa rehetra. Santionany amin’ny resaka politika eto amin’ny firenena io.

Mirazotra amin’ny olana ara-politika ny olana ara-toekarena. Ity fitondrana Rajoelina ity dia ambara mandrakariva fa mpamorona olana eto amin’ny firenena. Maro ny tranga toy izany, iray amin’ireny, ohatra, ny raharaha Ambohitrimanjaka, izay efa hita fa tsy mety izao, ary tsy fahendrena velively ny manatanteraka azy, dia mbola ikiriana ihany ho hatao. Efa nisy olona namoy ny ainy teny an-toerana noho ny alahelo be amin’izany fikasan’ny fitondrana izany, kanefa iniana ikimpiana sy odiana tsy hita sy tsy fantatra fotsiny izao izany. Izany ve no fitondrana mitsinjo vahoaka? Izao indray dia omena vahiny ny tany midadasika any atsimo any. Ny raharaha”Bas-Mangoky” no tiana ho lazaina amin’izany. Tsy toy izany ihany ve no niampangana sy nanenjehan-dry Rajoelina sy forongony ny filoha Ravalomanana Marc tamin’ny fotoan’andro nanonganam-panjakana, kanefa tsy marina akory ary voaporofo ny tsy fahamarinan’izany henjikenjika ratsy izany taty aoriana kely fotsiny. Izao iaraha-mahita miharihary ny tena manao izany fivarotana tanindrazana izany ary manome vahana ny vahiny hahazo tany be velarana sy midadasika eto amin’ny firenena. Na inona fanazavana atao, tsotra ny an’ny mpandinika, omena vahiny tany. Santionany amin’ny olana eo amin’ny sehatra ara-toekarena ihany koa ireo.

Ny sehatra tena ipetrahan’ny olana goavana tanteraka amin’izao fotoana izao dia ny ara-tsosialy. Tsy misy afitsoka amin’ny vahaolana amin’io na kely aza hatreto ny fitondrana Rajoelina. Tsy mitsaha-miaka-bidy ny sakafo filan’ny mponina andavanandro, ary iainam-bahoaka izany na eo aza ny fandrebirebena amin’ny tarehimarika samihafa ilazana ny tsy fisondrotan’ny vidim-piainana. Tsy misy fiovàny sy tsy misy fihatsaràny ny fiainam-bahoaka. Vao mainka miha-gorobaka ny kitapom-bolan’ny isan-tokantrano hikaohana andro aman’alina izay hany potipotiny sisa tavela amin’izay mba notadiavina raha misy. Tsy manana politika mazava sy hentitra hanarenana maika izany olam-bahoaka izany ny fitondrana. Toa vao mainka aza hatao hatrany izay hahafefika ny vahoaka toy ny natao tany Ambatolampy, ka notoherin’ny mponina. Ity fitondrana ity ihany no mamorona olana eto amin’ny firenena.

Hiditra amin’ny volana faharoa isika, tsy mbola ato ho ato akory no hivahan’izany olana rehetra izany, sy izay tsy voatanisa, ary inoana fa tsy maintsy mbola hisy olana vaovao hafa indray hipoitra ao aoriana kely, tsy ho ela eo.