Tany 60000 ha sy ny Arabo – Ny marina momba ny Projet Bas Mangoky

Stefa

Ny lemak’i Bas Mangoky dia lemaka lehibe tokoa any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Nisy ny fampiasam-bola nataon’ny fanjakana Malagasy hatramin’izay, mba hanajariana io lemaka io, ho fambolem-bary ho an’ny tantsaha.

Tamin’ny taona 1999 dia nisy fisamboram-bola tamin’ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana, na ny BAD nanaovana tohadrano sy lakan-drano hanondrahana ny tany hambolem-bary. Vola mitentina 23, 5 tapitrisa dolara amerikana, no nosamborin’ny fanjakana tamin’izany. Projet de Réhabilitation du Périmètre de Bas Mangoky, na PRBM no anaran’ilay projet na tetikasa. Ny fitondrana Marc Ravalomanana no nitantana ny vola sy ny tetik’asa tamin’izany. Tena mahavoka-bary tokoa io lemaka Bas Mangoky io, satria manodidina ny 6 taonina isaky ny hekitara no vary vokatra ao. Tapitra tamin’ny taona 2009 io tetik’asa io. Tamin’ny fifaninanana voly vary, na ny concours Agricole nataon’ny fitondrana Ravalomanana dia tantsaha avy ao no nahazo ny loka voalohany tamin’ny taona 2003, izay nahavokatra vary mihoatra ny 10 taonina isaky ny hekitara. Mbola nisy tantsaha mpamboly vary avy ao ihany koa nahazo loka tamin’ny fifaninanana voly vary ny taona 2004 sy 2005. Izany hoe tena mamokatra tokoa io lemaka io. Marihina fa anisan’ny fotodrafitr’asa tsara indrindra eto Madagasikara no vita ao Bas Mangoky.

Nangataka fanitarana an’io tetik’asa io ny fitondrana Ravalomanana tamin’ny taona 2008, na ny PRBM II ary efa nanaiky izany ny Banky Afrikanina momban’ny fampandrosoana (na ny BAD), saingy noho ny fanonganam-panjakana ny taona 2009 notarihan’i Andry Rajoelina dia nofoanana izany.

Ny fitondrana Rajaonarimampianina indray avy eo no nanohy ny fangatahana ary neken’ny BAD izany ny taona 2014. Mitentina 59 tapitrisa dolara amerikana indray ny tetik’asa Projet d’Extension du Périmètre de Bas Mangoky, na ny PEPBM. Nisy ihany koa ny fanaovana tohadrano vaovao tao Bevoay, izay efa vita soa amantsara izany, mba hahafahana manitatra ny velaran-tany azo volena vary.

Raha atambatra izany dia mitentina 82,5 tapitrisa dolara amerikana ny trosa nalain’ny fanjakana Malagasy nanaovana fotodrafitr’asa, mba hahafahan’ny tantsaha Malagasy mamboly vary ao Bas Mangoky. Ny Malagasy sy ny taranany no handoa io trosa io. Ny mahagaga dia ny Arabo indray izany no hahazo tombontsoa amin’ireo fotodrafitr’asa namboarina any Bas Mangoky ireo, fa tsy ny tantsaha Malagasy. Ireo Arabo ireo dia hamantam-bonina fotsiny. Tsy lazaina intsony ny tany homena, ny marimarina kokoa tsy homena azy ireo maimaimpiana fa hofainy, fa raha ny tokony ho izy dia ireo tantsaha efa ao ireo no tokony homena hanitatra ny tany efa voleny.

Ny vahoaka Malagasy izany no mitrosa vola any amin’ny BAD ary mbola handoa izany trosa izany dia ny Arabo no homena tombontsoa? Tena efa tsy rariny intsony izany fa fanambaniana ny Malagasy. Moa hanaiky an’izany ve isika Malagasy?