Mgr Rémi Joseph Rabenirina – Maty namela mamy eo amin’ny fiangonana sy ny fiarahamonina

Ny Valosoa

Nodimandry tamin’ny herinandro lasa teo ny Mgr Rémi Joseph Rabenirina, Filohan’ny Eklesia Episkopaly Malagasy (EEM) teo aloha, na Ny Fiangonana Anglikana eto Madagasikara araka ny mahazatra ny rehetra, iray amin’ireo fiangonana mandrafitra ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara(FFKM).

Ny Mgr Rabenirina dia mpanangana ny FFKM satria niara-nanangana izany tamin’ny Kardinaly Victor Razafimahatratra avy amin’ny Eglizy Katolika Apostolika Romana (EKAR), sy ny Mpitandrina Ramambasoa Joseph avy amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) ary ny Pastora Rabenorolahy Benjamin avy amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM).

Ny taona 1980 no nitsangana ny FFKM, ka ny tanjona dia fampiraisam-pinoana sy ny fanehoana, fa iray ihany ny mpino kristiana eo anatrehana’Andriamanitra sy Jesoa Kristy ary tsy nataon’ny FFKM ambaninjavatra ihany koa ny fanaraha-maso ny raharahampirenena satria ny fiangonana dia manana adidy hitsinjo ny vahoaka sy ny mpiray firenena.

Ankoatran’ny hetsika fanehoana ny firaisampinoana dia maro ireo dingana goavana vitan’ny FFKM toy ny fananganana ny Repoblika fahatelo , ny fitadiavana ny fahamarinana tamin’ny fifidianana filohampirenena tamin’ny taona 2001 , tao anatin’izany hatrany ny Mgr Rabenirina ary tamin’ny zavanitranga tamin’ny taona 2009 dia mbola nanao ny andraikiny ny FFKM, saingy niaraha-nahalala ny zava-nitranga teny amin’ny Episcopa Antanimena, marihana f’efa lasa nisotro ronono ny Mgr Rabenirina ny taona 2009.

Efa lasa avokoa ireo mpitarika toy ny Kardinaly isany Victor Razafimahatratra sy Armand Gaetan Razafindratandra ny Mpitandrina isany Ramambasoa Joseph sy Razafimahefa Edmond ary ny lasa farany teo dia ny Mgr Rabenirina Remi Joseph, izay samy nahavita be, na ho an’ny fiangonana, na ho an’ny firenena.

Tamin’ny Alahady 26 Janoary 2009 no nanaterana ny nofomangatsiakan’ny Mgr Rabenirina tany amin’ny fasam-pianakaviana tany Ambohidratrimo, olomanankaja maro avy amin’ny fiangonana maro, tompon’andraikitra sivily sy miaramila ary ireo masoivoho sy fikambanana iraisampirenena miasa sy monina eto amintsika no tonga nanome voninahitra azy farany, tany ampiangonana hatrany ampasana.

Fa mbola mijoro ny FFKM hatramin’izao ary mankalaza ny faha40 taonany amin’ity taona 2020 ity, na efa niova aza ireo mpitarika ny FFKM dia tsy mbola miala amin’ny fampiraisampinoana sy ny fijerena izay mahasoa ny firenena ny FFKM ary ankehitriny dia mbola omendanja ilay natao ho filamatra dia ny 4F ( Fahamarinana, Fiaikenkeloka, Fibebahana, Fihavanana) itondrana ny asa.

Ny Mgr Rabenirina sy ireo ray amamndreny ampanahy sasany no lasa fa ny tsara najoron’izy ireo dia mbola hotohizan’ireo mpandimby, izay tsy andraraka ilo mby an-doha, fa hampiseho hatrany ny mahavavolombelon’i Kristy eto an-tany sy eto amin’ny firenena azy ireo, indrindra amin’izao faha40 taona nijoroan’ny FFKM izao.