TSY MIOVA NY TENIN’AMBOHITRIMANJAKA

Ambohitrimanjaka dia mpamboly vary.
(Efa an-taonany maro no fantatra izany.)
Ny tany rehetra ao dia efa voajary.
Ny vary no toky sy fanantenàny.

Ka raha hototofana indray iretsy taniny,
Ahoana ny hoaviny, mba nojerena?
Sa ‘zao ilay ambara fa filàna vaniny,
Ataon’ny mpitondra mpangoron-karena?

Raha ‘zay tendrombohitra na koa ny havoana,
Dia be no azo aetry, azo ovàna ho tanàna.
Ka moa ve tsy ‘zao ilay manaonao foana?
Ny tsara efa vita indray no hosimbana!

Tandremo tandremo ry be atidoha
Sao hadinina anao ny alahelom-bahoaka.
Aza maika fa ‘ndeha mieritreritra aloha,
Ny amin’ny « tanamasoandro » tsy mety mipoaka!

Milaza ny hamangy, hono, ianao ato ho ato.
(Maniry izahay ary tena mirary!)
Kanefa na hiolan-ko vy na ho vato,
“Ny anay tsy totofana ny tanimbary!”

DADAN’i ZINA (26-01-20)