Rajoelina: herintaona tsy nahavita nampivoatra ny fiainan’ny vahoaka malagasy

Sôh’son

Herintaona naha teo amin’ny fitondrana, maro amin’ny olom-pirenena tsy nahita izay vokatra tsara nahakasika ny fiainany. Mazava loatra fa ny zavatra miova eo amin’ny fiainan’ny vahoaka isan’andro no handrefesany ny zava-bitan’ny fitondrana Rajoelina. Midika mazava izany, fa tsy nisy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka ny tahan’ny fitomboana ara-toekarena tsy nisy afa-tsy 4,7 % tamin’iny taoana 2019 ary tsy tratra ny tanjona maherin’ny 5%. Tsy vitan’ny vava ny fitantanam-pirenena

Raha niakatra teo amin’ny fitondrana Rajoelina ny janoary 2019, dia toy ny hahavita fahagagana tampotampoka eto amin’ny firenena hanova ny fiainan’ny vahoaka malagasy. Niaraha-nandre tsara ihany koa ny fampielezan-kevitra nanatobahana volabe tsy tambo isaina, tamin’ireny fotoana ireny izay nampîteny ny moana tokoa, izay nilazana fa efa vonona avokoa ny zava-drehetra hampandrosoana ity firenena ity sy hanalàna azy ao anaty fahantrana, raha vao vantany tonga eo amin’ny fitondrana izy.

Iaraha-mahita tsara anefa izao ny fihisaran’ny fiarenan’ny firenena ary tsy misy afitsoka ny lamasinina haingam-pandeha, fa tsy nahatarika n’inona n’inona. Mikasa ny hanatratra hatrany amin’ny 5,4% ny taha fitomboan’ny toekarena amin’ity taona ity, asa ho tratra indray ve ? Anisan’ny hisarangotana aloha ao anatin’izany ny tataon-ketra izay hifatrarana hatrany amin’ireo vokatra samihafa mety hiteraka olana any amin’ny fanjifan’ny vahoaka. Efa adi-hevitra be ny amin’io ary ho hita eo ny tohiny sy hiafaràny.

Mikaro-kevitra mafy ny fitondrana Rajoelina amin’izay efa tsy fahombiazana izay amin’izao taona vaovao izao. Miantso manam-pahaizana amin’arivony. Hanao ahoana ny fifantenana izany, sy ny kajikajy politika indray ao anatiny? Iaraha-mahalala fa ny fitondrana Rajoelina dia tsy miala velively amin’io kajikajy politika io entina hanamafisan-tseza sy fiarovana tombontsoa manokana. Vita izany vao manao ny asa eo imasom-bahoaka, izay ilazana fa mikaroka ny tombontsoam-bahoaka sy ny tombontsoa ambonin’ny firenena.

Nanaitra ny tenin’ny tompon’andraikitra iray an’ny Fjkm teny Antsonjombe ny alahady lasa teo, fa tsy misy afa-tsy iray alina ny olona migoka ny 90%-n’ny harena eto Madagasikara ary Malagasy 9 amin’ny 10 no zara fa mihinana. Ny dikan’izany tsy nahavita nampivoatra ny fiainan’ny vahoaka Malagasy ny fitondrana Rajoelina tamin’iny herintaona voalohany nitondrany iny. Ny fomba fiasany mantsy, kajikajy politika aloha vao tombontsoam-bahoaka, ary iray amin’izany ny nandaniana ny ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra ankehitriny.