Radio MBS – Fidèle Razara Pierre – Famakafakana – “Panier garni”

Famakafakana ny lahatenin’ny filoha hajaina dedaka Andry Nirina Rajoelina mamimbahoaka nandritra ny fanasàna tampotampoka ny mpanao gazety (voasivan’ny fiadidian’ny repoblika) hiara-kisakafo eny Iavoloha ny faha-20 janoary 2020

“Lazaiko aminareo ny mangarahara. Misy 1 miliara 500 millions ato amin’ny présidence. Ka ento aty amin’ny présidence ny lisitry ny mpiaramiasa AU NIVEAU CENTRAL mba hahafahana mizara aminareo panier garni”.

Ka CENTRAL izany fa tsy ho an’ny sisiny. Ny any amin’ny faritra izany dia tsy noeritreretin’ny filoha hajaina mamimbahoaka hisitraka ity PANIER GARNI.

“Ny fanapahankevitra noraisina tao amin’ny “conseil des ministres” dia fizaràna “panier garni” fa tsy vola, atao eo anivon’ny ministera. Fa nisy ny ministra no nanararaotra. Tsy fantatra na fanararaotana na tsy fahaizana miasa fa ny lisitry ny mpiasampanjakana manerana ny nosy no nalefany.”

Misy ministra efatra aloha hatreto, fa mety misy hafa koa, no nanararaotra na tsy mahay ny asany. Nanararaotra na tsy nahay ny asany ve izany ny ministry ny fanabeazam-pirenena, ministry ny asa anaty, ministry ny fitantanambola sy sekreterampanjakana misahana ny zandarimaria?

“Feno herintaona amin’ny 24 Janoary ny nananganana ny governemanta. Nisy ny contrat programme. Hisy ny évaluation … . Io hoatrany ekipana foot eo ambony terrain. Misy ny mahafaty baolina, misy ny tsy nahafaty, misy ireo reraka ambony ihany.”

Ka manao ahoaha no azo ilazàna ny ministry ny asa vaventy? Reraka ambony ihany ve? Ho alàna àry ve?