Raharaham-pirenena – Mandrora mitsilany ny mpanongam-panjakana

Ny Valosoa

Efa io iaraha-mahita io fa dia lasan’ny Irk ny fitantanana ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, na dia iaraha-mahalala aza ny tsy ara-dalàna sy ny tsy fahatomombanana teo amin’ny fifidianana.

Tsy niandry ela ny mpitondra ny Cua vaovao, fa tsy mbola vita akory ny famindrampahefana teo amin’ny ben’ny tanàna nifandimby, dia efa niroso tamin’ny fanesorana mpivarotra ry zareo. Nisedra olana avy hatrany ireto mitonona ho« mpandray andraikitra », satria fanoherana bontolo no nasetrin’ireo mpivarotra ny fanesorana azy, tsy dia atao mahataitra izany satria tonga amin’ilay fitenenana manao hoe: ny vava no tsy atao be ny mamerina azy no raharaha, mbola tsy maty ao an-tsaina ny fitaomana ireo mpivarotra amoron-dalana tsy hanara-dalàna nanomboka tamin’ny taona 2009 ary mbola nitohy izany nandritra ny fitantanan’ i Neny Lalao Ravalomanana ny tanànan’Antananarivo, ny tena loza aza dia nisy hatramin’ny filokana teny amin’ny kianjan’ny 13 mey tamin’ny 2009. Koa tsy nahagaga ireo mpivarotra raha tsy nanaiky ny niala, ny vokany henjandroa ny tady ary niafara tamin’ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso ny raharaha, f’ireo mpivarotra amoron-dalana ihany koa kendan’ny vomanga nanesikin’ny tanany nihevitra fa hahazo ravin’avaratra amin’ireo vao nahazo fahefana kinanjo voadaka ambavafo.

Mikasika indray ilay “panier garni” mitentina 5000 Ariary x 13 dia mbola azo lazaina hoe, nandrora nitsilany ihany koa ny mpitondra, satria matoa tsy milamina ny fitsinjarana azy dia mazava fa nisy ny zara vilana , ny niafaran’ny resaka dia tsy maintsy niala ilany sy nanilika tany amin’ireo ministra sisa nataon’Ingahy Filoha Rajoelina nanadiovany tena kanefa tsy afa miala.

Mikasika ny fandriampahalemana indray, ilay Jeneraly malaza ho mpaminany sy mahalala mialoha ny mety hitranga, mbola tsy teo amin’ny toerany izy tamin’ny taondasa fony nisy, ny fitakiana ny fahamarinana momba ny fifidianana dia efa izy no nibaiko ambadika ireo mpitandro filaminana nandrava ny hetsika teny amin’ny Kianjan’ny 13 Mey, kinanjo nony tena tonga tamin’ny toerany tsy nahovoka, hita porofo fa tsy voafehy ny filaminana ary ny tena zavadoza ireo mpitandro filaminana indray no tompon’ny herisetra manerana ny nosy.

Mihevitra ireo mpanongampanjakana, fa hadino sy voafafa ny hagaigena vitany tamin’ny I0 taona lasa ary manantena izy ireo fa azy ireo ny fahefana ankehitriny dia madio tsy misy pentina izy mianakavy, saingy io mbola tsy afabela io, fa vao mainka ho sahirana hatrany, satria tsy maintsy misy fetrany ny zava-drehetra, ary izay namafy rivotra tsy maintsy hijinja tadio. Raha nitohy tokoa ny hazo: tonga tany an-danitra hatramin’ny voalavo, samia velon’aina hahita ny tohiny.