EDITO 21 Janoary – Herintaona nitondràn’i Andry Rajoelina – Velirano aotra (0) no misy, fa tsy 13 araka ny lazaina

Helisoa

Feno herintaona ny 19 janoary lasa teo no nitantanan’ny filoha Andry Rajoelina ny firenena . Tsy hiteny ny fomba nahatonga ity farany teo amin’ny toerana naha filohan’ny repoblika azy isika, efa fantatra ny nataony sy ny forongony, fa izy izao no mitondra na nahabe resaka teto amin’ny tany sy ny fanjakàna aza ny halabato be vata nisy tamin’izany.

Maro ny fampanantenana nataon’ny filoha Andry Rajoelina tamin’ny fampielezan-kevitra: velirano 13, nambaboana ny fon’ny vahoaka, saingy mbola tsy misy fanombohany hatramin’izao, fa ny makety no malaza sy miteronterona etsy sy eroa, izay tsy misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny valalabe mandry akory. Ny laharam-pahamehana ataon’ny mpitondra ankehitriny dia ny manakenda ny vahoaka tantsaha toy ny eny Ambohitrimanjaka, izay hangalàna ny tanin’izy ireo homena ny vahiny. Ny fanomezana vahana ny vahiny hahazoana bizina izao no malaza, fa raha ny fijerena ny sosialin’ny mponina dia tsy misy.

Re ihany koa ankehitriny fa omena tany 60000ha ho trandrahany ny Arabo, nefa ny filoha Marc Ravalomanana nenjehina tamin’ny fotoan’androny, fa hoe mivarotra tanindrazana tamin’ilay tetik’asa DAEWOO. Ka iza izany izao no tena mivarotra tanindrazana, tsy ry Rajoelina sy ny forongony hanome tany ny Arabo any Bas Mangoky ve? Ry Rajoelina mianakavy mikasa hanome ny vahiny an’Ambohitrimanjaka. Hita fa tena mpitari-bato vilam-bava ny fitondrana misy eto amintsika ankehitriny. Ambonin’izany, mbola tsy misy miainga ny IEM nodradradradraina, fa ny zavabitan’ny teo aloha, ny zava-bita sy ny tetikasan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina aloha izao no hatomboka sy tokanana etsy sy eroa.

Velirano mbola aotra (0) no misy ankehitriny, fa tsy 13 araka ilay nolazaina .