TSY HO OLOM-PANJAKANA …

https://www.lexpress.mu/amp/104389
(Sary nindramina lexpress.mu)

Tsy ho olom-panjakana
Mendrika ny fitondrana
Ianao boaikely, ianao sakaiza
Na ho aiza ianao na ho aiza.

Na somary hiova endrika
Ka hanao izay hahamendrika.
Na somary hivelabelatra
Na hiakanjo ny manjelatra.
Na hividy solomaso
Dia tsy hiova fa MALASO.

Na hianjaika ny mazefatra
Na hitaingina efatrefatra.
Na hisolo pataloha,
Na hihaingo hatrany an-tampon-doha
Dia tsy hisondrotra hanainga
Fa hitoetra ho tranon-dainga.

Na hanao izay hivoarana
Na koa mbola hanova anarana
Na hividy diplaoma
Ka hizesta ho “praoma”
Tsotra ihany, tsotra ihany:
Tsy hanova anao izany
Ka lazaina am-pahatsorana:
Ianao dia mbola ho fozaorana!

ZANDRY TAFITA (17-01-20)