EDITO 18 Janoary – Fitondrana Rajoelina – Tsy mahahovoka mamaha ny olambe manapotika ny vahoaka

Radafy

Izao zava-misy ankehitriny izao ve izany no tiana ahatongavana, ka nifidianana an’i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy toy ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra?

Ankoatra ireo sakafo tsy maintsy jifain’ny vahoaka isan’andro toy ny vary, ny hena, ny menaka, ny siramamy, ny saribao, ny savony, sns… izay tsy mitsahatra ny miaka-bidy dia hatramin’ny sakafo tsy eritreretina ho amin’izany ankehitriny no misondro-bidy avokoa. Anisan’izany ny vovo-dronono izay tena tokony ho fihinan’ny vahoaka isan’andro indrindra ny zanaka malagasy, satria manampy azy amin’ny lafiny ara-batana sy ara-tsaina izany.

Miharihary fa tsy manana politika mazava amin’izany na kely aza ny fitondrana Rajoelina indrindra amin’ny lafiny sakafo manampy amin’ny fitaizana ny zaza malagasy, satria tsy olona natao hitondra firenena ny ankamaroany, ary ao anatin’izany ity olona napetraka amin’ny fomba mamohehitra eto an-drenivohitr’i Madagasikara ity nanomboka ny alakamisy teo. Tsy fantany izany olam-bahoaka izany satria izy olona niaina sy nigalabona sy niadana tamin’ny harembe nandritry ny androm-piainany. Mampahatsiahy ny Praiminisitra fahiny iray izay nilaza fa tsy mahalala fahantrana izany. Mazava loatra, fa tsy hisy fiovàna firy amin’ny fiainam-bahoaka azo antenaina amin’izay zavatra hoentiny, raha tsy ohatra angaha ka mba vonona hiaiky ny tsy ara-dalàna rehetra izy ny amin’ny lalana nidirany sy nampiasainy nahatonga azy ho eo amin’io toerana hisehosehoany io.

Fa iza amin’ireo olona eo anivon’ny fitondrana ireo no azo itokisana fa tena mitsinjo marina ny fiainam-bahoaka, ka mahafoy tena sy vola hanao takalo ny fanavotana ny fivelomam-bahoaka? Sarotra antenaina izany raha ny fahitana ny zava-misy hatramin’izay na tato ho ato sy ny fihetsik’ireo olona ireo. Ny azy ireo ny zavatra atao rehetra tsy maintsy mifangaro amin’ny hevitra politika hiarovan-tseza sy tombontsoan’ny tenany mandrakariva. Tsy atao ho mahagaga raha very ny fifampitokisana eo aminy sy ny vahoaka amin’izao fotoana izao ary vao mainka nihamafy sy nihalalina io hatramin’ny namoahana ny voka-pifidianana ofisialy tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna navoakan’ny tribonaly miady amin’ny fanjakana andro vitsy lasa izay.

Araka izany dia tsy vaindohan-draharahan’izao fitondrana izao velively ny haka sy hampiasa fitaovam-pijerena fanalehibeazana na “loupe” itsirihana ifotony lalina ny fahoriam-bahoaka. Matetika manafosafo ny olana fotsiny ihany no vitany tato anatin’ny herintaona ngarangidina izao, fa ny fitsaboana ny tena fototr’aretina tsy misy, ary iray amin’izany ny sakafo fivelomana. Mbola maro koa anefa ireo tena mampahory ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao, ary langilangy zozoro io fitondrana Rajoelina io, tsy afaka hanova endri-javatra mihàtra aman’aina. Toy ny olona mitsabo aretina homamiadana amin’ny fanafody parasetamôla no ataon’izao fitondrana izao. Manamafy izay ny fitadiavany manam-pahaizana maro amin’izao fotoana izao, ny kely saina tokoa no mitady manan-tsaina.