MIANTSO NY MANANA CERVEAU INDRAY ? MITADY ATIDOHA ?

Mitady “atidoha” ve ny kely atidoha
Sa dia inona no anton`ireo fiantsoana?
F’angaha tsy nambaranareo tany aloha
Hoe ny “gasy efa vonona” no manoloana?

Sa lasa nankaiza ny “be atidoha”?
Moa nisinda any ho any fa tsy nahatanty,
Ka dia mihetsiketsika indray ny filoha,
F’efa toa manirery sy be mpanabanty ?

Tsy hoe ny atidoha no tsy misy, matetika ,
Fa ny mpitarika no tsy dia afaka.
Fatra-pandainga ka diso fitetika,
Vao mba miroso dia indro solafaka !

Raha ny atidoha dia tsy ambaka ny gasy
Fa manana isika ary lava ny lisitra.
Ny olo-mitarika no “tsy mipasy”
Matoa isika rambony na miady gisitra !

DADAN’i ZINA (16-01-20)