Lasa Marianne Gasipetaka – Very olomanga sy mpitolona amin’ny fahamarinana ny GTT La Réunion

Marianne Gasipetaka ao amin’ny pejy fasiboky, na i Liva

Helisoa

Nindaosin’ny fahafatesana tampoka, tao amin’ ny hopitalin-dry Masera tao Ankadifotsy, ny namana mpiara-mitolona ao amin’ny GTT : Gasy Tia Tanindrazana atsy amin’ny nosy La Réunion sy ny vahoaka Malagasy miady ho an’ny fahamarinana eto amin’ny firenena: Marianne Gasipetaka ao amin’ny pejy fasiboky, na i Liva.

Tohina ny rehetra raha nandre ity fahafatesana tampoka ity, satria ankoatra ny ady amin’ny fahamarinana izay nimatimatesany tamin’ny fahavelony dia tsy zakany ny nahita ny vahoaka Malagasy ianjadian’ny fahantrana lalina, ka nahavoatery azy hiady tamin’ny mpanongam-panjakàna izay fositra nampahantra ny firenena ankehitriny. Teo ihany koa ny nanoherany mafy ny fikasan’ny fanjakàna Rajoelina hanototra ny tany eny Ambohitrimanjaka, izay tany fiveloman’ny mponina maro be.

Ny nofo mangatsikan’iMarianne na i Liva dia andrasana eny Tanambao Ambohimanga Avaradrano ary halevina eny amin’ny fasandrazany eny antoerana ihany ny zoma ho avy izao.
Izahay mpiaramiasa eto amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao dia maneho fiaraha-miory amin’ny fianakavian’i Marianne Gasipetaka, na i Liva.