Vahoaka malagasy : miverina miaina ny haizina indray

Andry Tsiavalona

Mikoroso fahana andro aman’alina ity Nosy ity ka efa laharana roa sisa dia hitazona ny rambony raha ny filaharana eo amin’izay firenena mahantra indrindra maneran-tany.

Mipoitra tsikelikely koa ny olana izay mampiseho ny tsy fahaiza-mitantana sy ny tsy fahaizana mifehy ny fampihodinana ny raharaham-pirenena. Variana mampifalifaly ny vahoaka amin’ny zavatra mirentirenty tsy mahasoa sy manambitamby amin’ny fanomezana tambiny (prime) ny mpiasam-panjakana ary fanalefahan-tsazy ho an’ny voafonja sasan-tsasany.

Ny mahagaga dia misy ireo mandoka sy milaza fa tsy mbola nisy filohan’ny Repoblika toy izao hatramin’izay namerenana ny fahaleovantena izay. Ny zava-misy anefa dia efa esorina tsikelikely ireo jiro nampitanaka sy nampiraraka ny ivin’ ny gasy, ka manomboka miverina miaina ny haizina sy miaina ny fahamaizinana indray ny tanàna. Tsy mbola misy farany ihany koa ny filaharan’ny « bidonsjaunes » eny amin’ny paompim-pokonolona. Nasondrotra telo ambinifolo isanjato ny karaman’ny mpiasam-panjakana izay ankalazaina, fa be indrindra raha mitaha amin’izay fisondrotana nisy hatramin’izay. Fanenjehana ny tarehimarika 13 ihany anefa io satria tsy izay no mahasoa ny firenena satria hiteraka fidangan’ny vidim-piainana (inflation) izany satria tsy mifandanja amin’ny harin-karena faobe.

Etsy andaniny dia ny fanomezana tambiny na valisoa ambonin’ny fisondrotana dia tsy fanta-pihaviana ny vola natosaka ho amin’izany satria izay vola omena ny mpiasampanjakana dia tsy misy lelavola, fa ao anaty « bon de caisse » avokoa ary any amin’ny tahirimbolam-panjakana(trésor public) no raisina. Ambonin’izany dia tsy misy sorabola mifandraika amin’ity valisoa ity ao amin’ny tetibolam-panjakana 2020, ka mampametram-panontaniana ny maro hoe nisy dadabe noely ve izany sa nisy mazia? Niteraka savorovoro eo anivon’ny mpiasam-panjakana anefa ity fanomezana ity, indrindra eo anivon’ny minisiteran’ny fampianarana, satria tsy mitovy ny vola noraisin’ny mpampianatra any amin’ny Faritra. Misy ihany koa ireo mpiasa any amin’ny minisitera sasany mbola tsy nahita maso izany fanomezana izany. Midika izany fa tsy misy fandrindrana matotra sy fampitàn-kevitra mazava eo anivon’ny rafitra mpanatanteraka, hany ka na ny samy mpikambana ao aza dia mifanebaka.

Variana amin’ny vato mety hianjera eny amin’ny tanàna avo ny birao manokana misahana ny loza voajanahary sy ny mpamonjy voina, ka dibo-drano ny arabe sy ny trano fonenana eny amin’ny tanàna ambany rehetra. Dia manilika andraikitra any amin’ny mponina izay manary fako any anaty lakan-drano ireo manampahefana. Ny vahoaka kosa etsy ankilany dia manambara fa ny mahatonga ny tondra-drano dia tsy misy làlankikorianana intsony ny riaka ateraky ny ranon’orana satria omen’ny mpitondra alàlana hanototra ny tany tokony hivarinan’ny rano ireo mpanambola. Marina fa eo ny fako fa mbola misy hirika ihany eo anelanelan’ny tavoahangy sy ny sachet, fa eny amin’ny tany voatototra kosa dia tampina tanteraka.

Mbola mitohy ny fitokonan’ny mpampianatra eny amin’ny Anjerimanontolo noho ny resa-bola, torak’izany koa ny ety amin’ny fampianarana ambaratonga fototra sy faharoa izay resa-bola ihany koa saingy ny an’iretsy voalohany dia zony no takiany ary ny an’ireto farany kosa dia tsy izany velively kanefa hoy ny fitenenana hoe:“ny vola tsy ananan-kavana”. Koa raha manana roanjato miliara ariary ho tantanina ihany ny ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika dia tsara kokoa ny mandravona ireo olana miteraka disadisa rehetra vao mampivaingana ho azo tsapain-tànana sy hitan’ny maso ireo nofinofy rehetra.

Ambonin’izany dia mitady “cerveaux”, hono, ny fitondrana ka tsy aleo ve hatao izay hampiravona ny olana, mba hitohy amin’izay ny fampianarana an’ireo tanora ho avin’ny firenena ireo.

Tsy mety tapitra ihany koa ny olana momba ny fifidianana satria maro no tsy manaiky ny vokatra navoakan’ny fitsarana misahana ady amin’ny fanjakana sy ara-bola (ribunal administrative et financier), tsy eto an-drenivohitra ihany fa any amin’ny faritra ihany koa.

Tokony ho ao an-tsaina mandrakariva anefa fa tsy misy zavatra maharitra mandrakizay ary kodiaran-tsarety ny fiainana, ka ny faniriana dia tsy ho olona manana toetsaina mamaly faty no handimby izao fitondrana izao satria raha izay no hiseho dia tsy ho azo kilasiana intsony ny firenena Malagasy, fa ho eo amin’ny laharana faha-189 no hisy azy na dia 188 aza ny firenena misy manerana ity planeta tany ity.