Antenimierandoholona – Tsy tokony ho sakana amin’ny fampandrosoana ny tsy fitovian-kevitra

Ny fifampiarahabana tratry ny Asaramanitra tetsy amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona.

Isambilo

Amin’ny maha Ray aman-dRenin’ny fianakaviamben’ny Antenimierandoholona ny Filohany Rivo RAKOTOVAO mivady, tonga niarahaba sy nirary soa azy ireo ihany koa ireo Loholon’i Madagasikara namany, izay notarihin’ny senatera RANDRIAMBOLOLONA Mananjara, Filoha lefitra avy amin’ny faritanin’Antananarivo, ny alatsinainy teo, tao amin’ny Lapa Maitso Anosikely.

Ankoatr’ireo firariantsoa samihafa, izay nataon’ireo Loholona dia vonona hatrany izy ireo hitondra ny anjara biriky mba hampandrosoana ny Firenena. Manoloana izany dia nankasitraka ireo Loholona ny Filohan’ny Antenimierandoholona, nambarany fa na teo aza ny lalana nodiavin’ny Antenimierandoholona tamin’iny taona lasa iny, dia tsy tokony ahakivy izany.

Namporisika sy nanentana ireto mpiara-miasa aminy ireto ihany koa izy ny mba handray andraikitra mavitrika amin’ny fampandrosoana ny Firenena, satria hoy izy, ny tsy fitovian- kevitra dia tsy tokony hanakana ny fanatanterahana ny asa fampandrosoana satria ny tanjona dia iray ihany dia ny fampandrosoana an’i Madagasikara.