Rina Randriamasinoro – Mampitandrina ireo mpanely tsaho amin’ny Facebook

Rina Randriamasinoro Kandidà ben'ny tananan'Antananarivo - 27/11/2019

Helisoa

Misy indray ny manely tsaho ao amin’ny facebook amin’izao fotoana, mahakasika ny kandidà ho ben’ny tanàna teto Antananarivo Rina Randriamasinoro.

Izany I Akombaovao Misongadina izany no manely ity vaovao tsy marina ity, izay milaza fa: “RINA RANDRIAMASINORO (kandidan’ny TIM ho ben’ny tanàna teo), nisaotra ny fitondrampanjakana mijoro izy manoloana ilay tolotr’asaho mpiasam-panjakana ambony izay hanaovan’ny fanjakana antso amin’izay rehetra vonona amin’ny fampandrosoana. Anisan’ny handefa ny candidature koa aho hoy izy satria ny fiainana mitohy ary izaho ihany no hamelona ny vady amanjanako , opportunité ho antsika vahoaka malagasy io hoy izy, ka andao ho avela ny hambom-po fa handeha hifanolo-ta nana amin’ny fampandrosoana ny firenena.”

Toy izao kosa ny valin-tenin’i Rina mahakasika izany lainga aparitaka izany: “Tsapako tokoa ny fanirianareo ny hanaterako CV any. Misaotra amin’ny fahatsapana fa aty no misy ny cerveau. Kanefa, aza manely vaovao tsy marina etsy sy eroa satria izaho tsy nandefa CV tany, Sahia mijoro amin’ny fahamarinana raha tiana handroso ny firenena. Aiza ny cybercriminalité amin’izao ???