Ministeran’ny fanabeazana – Efa mpandaingalainga amin’ny mpampianatra sy ny mpianatra

Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena

Ny Valosoa

Nambara ho ren-tany rendanitra fa hahazo vola 65000 ariary tsirairay ny mpiasam-panjakana, kanjo dia 9000 ariary no mba azon’ny mpampianatra, fa dia asa raha tsy sokajin’ny mpiasam-panjakana ireo miasa amin’ ny lisea sy CEG ary EPP. Ny mari-bola terena hosoniavina anefa dia ilay 65000 ariary ihany. Dia ahodinkodina ny resaka fa hoe ny mpiasa birao ihany indray no nomena an’io fa ny hafa dia niseho tamin’ny endrika fanomezana no natao taminy.

Afaka mamorona izay tiany holazaina ny mpitondra mba hoentiny miaro tena, saingy dia lalina loatra kosa ny famitahana sy ny fampanantenana raha 65000 ariary no lasa 9000 ariary. Tsy vao izao ihany fa isan-taona dia miseho foana io fanombinana ny vola omena ny mpampianatra io. Ohatra raha 2 alina ariary no mari-bola voasoratra ho tambin-karama homena dia io tokoa no asaina soniavin’ny mpampianatra saingy 16000 ariary ohatra noraisiny, amin’ireny fitsarana fanadinana ireny na zavatra hafa. Tsy maintsy analana kely foana hoy ny mpampianatra na dia hita izao aza fa efa kely ilay vola homena. Efa tsy naharototra ny mpampianatra intsony io fanombinana ny vola tokony horaisiny io tao anatin’ny taona maromaro, saingy tamin’ity dia efa tena tafahoatra loatra hoy izy ireo.

Efa niteraka olana ihany koa tamin’ny fidiran’ny mpianatra teo ny filazana, fa tsy mandoa vola ny mampiditra mpianatra amin’ny EPP, nefa dia nisy talentsekoly nampandoa vola hatrany. Ankoatr’izany dia lazaina foana fa tsy mandoa vola ny mpianatra hiatrika ny fanadinana CEPE sy BEPC ary ny minisitra tompon’andraikitra dia avo vava ery milelalela foana ny amin’izany, saingy hatreto dia nandoa vola manodidina ny roa arivo hatrany ireo mpanala CEPE sy BEPC ary ny talen’ny CEG maro no mitaky izany satria tsy misy hono ny vola hihetsehana amin’ny fampandehanan-draharaha.

Dia gaga ny rehetra ny amin’ izany satria tsy mitovy mihitsy ny teny lazain’ny mpitondra ambony sy ny zava-miseho. Rehefa jerena tokoa dia tsy voakitikitika ireny talen’ny CEG manangom-bola ireny. Ny dikany izany dia eken’ny mpitondra ihany ilay fanangonam- bola ataony, fa ny vahoaka fotsiny no fitapitahana etsy sy eroa mba hisehosehoana sy hidedadedahana fa mitsinjo ny vahoaka tokoa ny mpitondra.

Ho avy tsy ho ela ny famenoana ny taratasim- panadinana CEPE sy BEPC, ka dia ho hita eo indray na hifanohitra ny teny lazain’ny minisitra ery ambony sy ireo talen’ ny sekolim-panjakana samihafa, izay tsy mitsahatra ny mampandoa vola aloha hatreto.