EDITO 14 Janoary – Manamboninahitra Malagasy – Rajoelina ihany no nampamoa-tsampona azy ireo

Ny Valosoa

Isakin’ny 12 Janoary dia misy foana ny antsoina hoe”andron’ny manamboninahitra “ eto amintsika, ny fanao amin’izany, vao maraina dia miara-mihazakazaka ireo manamboninahitra, misy ny fampiakarana ny sainampirenena, ka ny manamboninahitra zandriny indrindra no manao ny fibaikoana, avy eo dia manolotra ny fanomezana ho an’ny manampahefana ary dia faranana amin’ny fiaraha-misakafo sy fiaraha-miala hetaheta ilay andron’ny manamboninahitra.

Tamin’ny alahady 12 Janoary 2020 teo dia nisy ny fanolorana fanomezana ho an’Ingahy Filoha Andry Rajoelina, tamin’izany no nilazany, fa tokony ho modely amin’ny fitiavan-tanindrazana hono ny manamboninahitra. Tena marina tsy azo iadian-kevitra izay nambarany izay, saingy iza moa no nampamoa-tsampona an’ireo manamboninahitra, fa tsy izy Rajoelina ihany tamin’ireny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 ireny. Rajoelina ihany no nampamoa-tsampona ny manamboninahitra tamin’izany fotoana izany, ka mbola hitoh hatramin’izao izany, satria miainga avy any ambony ny ohatra. Rehefa mpanongam-panjakana, tsy mpanara-dalàna toa an-dRajoelina no Filoha, dia tsy ho mpanara-dalàna toa azy koa ny aty amin’ny rafitra ambany. Mitoky fatratra amin’ny foloalindahy sy ny polisim-pirenena izy ankehitriny, fa ireo ihany no hamadika azy. Ny tody tokoa tsy misy, fa ny fanonganam-panjakana nataony tamin’ny taona 2009 ihany no hiverina aminy. Nilaza izy fa tokony ho modely ny manamboninahitra, ka manomboka izao izany dia hampiseho ny maha-modely azy amin’ny tena fitiavan-tanindrazana amin’izay ireo manamboninahitra, ka isantarana izany dia ny fanaovana fanadihadiana ireo fitaovam-piadiana nasehon’Ingahy filoha tamin’ny fahitalavitra fony izy mbola tsy filoha. Dia ho hita eo ny tohiny.