HAMBOLY HAZO NY MPANOTO-TANIMBARY ?

Misy ireo mihevi-tena fa hoe manan-tsai-maranitra,
Dia mamboatra tetikady mba hihantsiana an’Andriamanitra.
Andro mamy sy fotoana mba noheverina hiombonana,
Saingy handeha hamboly hazo ireo mpihantsy ny fiangonana!

Avelao ho tazana eo ny vary sy tsiparifary,
Ireo miasa an-kitsim-po sy ireo malaza ho be kabary,
Fa ny zavatra rehetra tena mbola hisy farany,
Ary koa ny Tompontsika mbola hanana ny hambarany.

Saingy mandra-piandry izany, lalan-tsara no izory:
Ilay mitondra fiadanana, hoy ny tenin’ny mpitory.
Aza miherika hijery ireo sakaizan’ny devoly:
Ireo mpanoto-tanimbary nefa dia miseho hamboly !

Mahereza f’aza kivy, asehoy ny fivondronana
’Zay mampiavaka tanteraka ny olonao ry fiangonana.
Ilazao ireo diso lalana : hositranina ny taniny
Raha Jehovah no ekeny mba ho Tompo sy Andriamaniny.

Dadan’i Zina (13-01-20)