Fanotofana an’Ambohitrimanjaka – Miziriziry hanao ny Tanamasoandro-ny ny fitondram-panjakana

Araka ny loharanombaovao dia hidina etsy Ambohitrimanjaka indray ireo solontena avy ao amin’ny fitondram-panjakana amin’nizao herinandro ho avy izao. Nilaza omaly, 10 Janoary 2020, ny mpanolotsain’ny filohan’ny repoblika fa tsy maintsy atao ny tetikasa Tanamasoandro.

Tsy hiova amin’ny heviny ary tsy hanaiky ny hanotofana ny tanimbariny ny mponina eo Ambohitrimanjaka sy ireo avy ao amin’ny kaominina telo hafa ary ny ao amin’ny fokontony Anosibe Zaivola. Hiverina indray arak’izany ireo hetsika fanaon’ireo vahoaka, tsy mankasitraka ny fanotofana ny tanimbary.

Tsy miady irery intsony ny vahoakan’Ambohitrimanjaka fa efa maro no miray feo aminy, toy ny solontenan’ny mpiray tanindrazana avy any ivelany, ary indrindra ny RMDM.

Tsiahy kely momba ny tantara

Gaga aho fa hoe Malagasy no manototra tanimbary. Nilaza ry zareo hoe: ahoana no nototofana teny any amin’ny 67ha, na Antanimbarinandriana, na tetsy sy teroa.

Tsy Malagasy mihitsy no nitondra fa ny colons, ary tamin’ny andron’ny colons dia nisy ny Office du riz. Potehina ny vary, tsy hihinana vary ramalagasy. Na ny tany anaty sompitra aza, loarana ho doroina. Mbola natao indray koa bala tafondro ny vary ho totoina. Nalona tao anaty barika ny vary. Nahatonga ny fiteny hoe tafondro vary masaka ny an-dramalagasy. Fanambaniana Malagasy be dia be no natao tamin’ny vary, fa tsy nisy mihitsy Malagasy nanototra tanimbary.

(Vaovao MBS)

‘https://youtu.be/02EQzSk1XrM?t=558

 

Edouard Tsarahame (RMDM) – Lesona na hafatra ho an’ireo izay mieritreritra ny hasarobidin’ny tany

Isaky ny miteny isika mpanao politika, dia hoe “Masina ny Tanindrazana!”. Aoka re ho hajaintsika sy ho ekentsika ny maha-masina ny Tanindrazana.

Hanome lesona na hafatra ho an’ireo mieritreritra, ny hasarobidin’ny tany aho.

Ny tany no nataon’Andriamanitra mifaningotra aina amin’ny olombelona. Satria nataon’Andriamanitra mialoha ny tany, izay Andriamanitra vao nanao ny olona. Ary ny tany no novolavolain’ Andriamanitra nataony ho olona.

Ary raha misy latsaka amin’ny tany, marary ity tany ity. Satria tsy zakan’ny tany, satria mifaningotra aina aminy ny olombelona. Ary raha misy koa ny mikasika ny tany, tsy zakan’ny olombelona. Satria mafy aminy. Satria tany no nangalàna azy, tany koa no iafarany. Ka sarobidy amin’ny olombelona ny tany.

Mbola tany ihany koa no isakafoanantsika, ivelomantsika. Tsy tanin’olon-kafa no anampiana anao, tsy tanin’olon-kafa no itsaboana anao fa ny Tanindrazanao ihany.

Ry mpitondra ô, aoka ajanona tsy misy hatakandro ny fieritreretana hanototra an’Ambohitrimanjaka.

(Vaovao MBS)

‘https://youtu.be/02EQzSk1XrM?t=624