Hosoka sy halabato – Tao antampon-tanànan’i Tsihombe

Fahagagana no nitranga tao Tsihombe. Elanelana isambato 500 be izao no nandresen’ny kandidà tsy miankina iray ny kandidam-panjakana.

Raha namoaka ny valimpifidianana anefa ny fitsaràna dia nofoanana ny fifidianana.

Novonoina ny vokapifidianana tao anaty bureau de vote dimy. Saingy tsy mbola lany ihany ny kandidam-panjakana. Dia nofoanana ny fifidianana.

Ny kandidà lany, atao tsy lany. Ny ankizy tsy ampy taona nampifidianana, tsy nasiana fijerevana.