AMBOHITRIMANJAKA INDRAY DIA TSY HANAIKY !

Ny mpanolotsaina va re no tsy tsara
Sa manoro vohony anao izy ireny,
No manaonao foana, mandiso tantara
Amin’ny fomba sy ny asa ary koa ny fiteny?

Resahinao foana ny hoe “velirano”
Ary lasa fiteny toa mampihomehy,
Ka mba tandremo sao dia hidiran’angano
Amin-java-tsy hay sady toa tsy voafehy!

Dia ianaro, fantaro koa ‘reo soatoavina
‘Zay vao manapaka na koa mandidy,
Fa aza variana amin’ny hazo be ravina,
(Toa misy voany kanefa mangidy!)

Ny vitan’ny ntaolo, tsy hoe tonga lafatra,
Saingy nasandrany ny voly vary.
Ny mpanjakantsika efa nanafatrafatra
Hoe fahavalony anie ny mosary.

Ka tena tsy rariny sy tsy azo ekena
Raha hoe hototofana ireo tanimbary,
F’Ambohitrimanjaka tsy maintsy mitrena,
Manohitra mafy sy an-karihary !

DADAN’i ZINA (11-01-20)