Lalampirenena RN44 – Tsy mahavita sy mandainga Andry Rajoelina! Marina sa tsy marina?

Andry Rajoelina – Aty Moramanga no anombohantsika ny lalampirenena RN44 izay mankany Ambatondrazaka, mitohy mankany Marovoay ary tonga hatrany Vodiala.

Ny Valosoa – Manao sangodimpanina ny lalampirenenan’ny filoha mamimbahoaka zany an!

Andry Rajoelina – Ianareo no tsy nahavita, ianareo no nandainga, fa ny tenako sy ny governemanta miaraka amiko, mahavita fa tsy mandainga tompoko.

Ny Valosoa – Mahavita fa tsy mandainga?… Ny marina ankehitriny dia sady tsy nahavita no nandainga!

Andry Rajoelina – Ho atao ary tsy maintsy ho vita ny RN44 manomboka androany (ndlr, 15 oktobra 2019) tompokolahy sy tompokovavy

Ny Valosoa – Telo volana izao no namoahan’ny filoha mamimbahoaka izany teny izany, fa tsy nisy asa nanomboka afa tsy fanamboarana trano. Trano fa tsy lalana an!

Andry Rajoelina – Izany velirano izany dia zavatra masina. Izay lazaina, atao velirano dia tsy maintsy tanterahina… Velirano no ataontsika… Tsy maintsy atao amin’ity taona ity, ary ataovy amin’ny tetibolantsika aloha ny anombohana io RN44 io, tonga eto izahay miaraka amin’ ny orinasa, atomboka manomboka androany ny RN44 tompokolahy sy tompokovavy.

Ny Valosoa – Ny asa tsy nanomboka, ny appel d’offres mikasika ny asa tohiny indray no navoaka ny herinandro lasa teo.

Feo – Sombiny tamin’ny kabarin’ny filohan’ny repolika tany Moramanga ny 15 oktobra 2019

‘http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2020/01/rn44-andry-rajoelina.m4a