EDITO 9 Janoary – “TRIBUNAL ADMINISTRATIF” – Mafy ny tsindry nahazo, tsy nasiany hasiny ny maha-repoblika

Hetahetam-bahoaka sy fanamby napetraky ny filohampirenena ny isian’ny tany tan-dalàna eto amin’ny firenentsika, tsy ho tontosa anefa izany raha tsy misy ny fahatsapantenan’ireo nomena andraikitra eto amin’ny firenena indrindra fa ireo mikirakira ny fifidianana.

NY FITSARANA

Manana ny toerany ny fitsarana sy ny fampiharana ny lalàna teo amin’ny tantarampirenena tamin’ny vanimpotoana samihafa, tamin’ny fanjakan’Andrianampoinimerina dia efa nisy ny antsoina hoe “heloka 12 mahafaty” nifehezana ny fanjakana, nivoatra hatrany ny karazan-dalàna sy didy nivoaka araka ny fivoarana nisy teo amin’ny fitantanana ny raharahampanjakana, taty aoriana tamin’ny fanjakan’ny Mpanjakavavy Ranavalona faharoa no nivoaka ny “Lalàna dimy venty sy telonjato”, izay manana endrika lalampanorenana mihitsy, satria voasoritra ao ny firafitry ny ambaratongam-pahefana nisy sy ny didy aman-dalàna isan-tsokajiny nandaminana ny fiarahamonina, tamin’ny fotoanan’ny fanjanahantany sy tamin’ny repoblika nifandimby dia nisy foana ny fitsarana, saingy tonga amin’ilay fitenenana manao hoe, tsy mbola nisy ohatr’ity hatrizay nanaovana, raha mandinika ny nataon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC) tamin’ireo fifidianana nandraisan’izy ireo fanapahankevitra.

NY FIFIDIANANA

Tamin’ny fanjanahantany isika no nanomboka nifidy, ka nahalany ho solombavambahoaka ny Depiote isany Raseta Joseph Delphin sy Ravoahangy Andrianavalona ary Rabemananjara Jacques ary ny 28 Septambra 1958 dia niatrika ny fitsapankevi-bahoaka nananganana ny repoblika voalohany ny malagasy, tafapetraka io repoblika io ny 14 Oktobra 1958.

Tany repoblikana izany isika nanomboka tamin’ny taona 1958, ary efa repoblika fahaefatra isika izao, ny dikan’ny hoe repoblikana dia olomboafidy no mitondra fa tsy mpanjaka akory, ny zava-miseho eto amintsika dia tsizarizary ilay repoblika, satria ny fifidianana mihitsy no tsy mandeha amin’ny tokony ho izy, tamin’ny fanjanahantany aza matoa voafidy ry Dr Raseta sy Dr Ravoahangy dia mbola azo noleferina ihany ny fomba nikirakirana ny fifidianana, fa raha ny nataon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana farany teo araka ny efa nambara tetsy aloha dia ilay maha-repoblika an’ilay repoblika mihitsy no voahosihosy.
Ny Fitsarana Misahana ny ady amin’ny Fanjakana, izay nantenain-kanarina koa izao vao mainka nampivandravandra, nahasahy nanao fanafoanana faobe ireo fitoriana tamin’ny fifidianana tamin’ny faritra Analamanga omaly, kanefa raha resaka fitsarana momba ny fifidianana dia tokony ho raisina tsirairay ny tranga rehetra, saingy angamba mafy loatra ny tsindry, ka ilay maha-repoblika mihitsy no tsy nasiana hasiny, ary azo antoka fa tsy hisy eto amin’ny firenena ny tany tan-dalàna, satria manome rariny ny fanosihosena ny lalàna nataon’ny Ceni ny Fitsarana misahana ny Ady amin’ny Fanjakana raha ny didy savaranonando navoakany omaly no jerena.

Ny Valosoa