NY FILIBANA SA NY FITSITSIANA NO LEHIBE INDRINDRA?

Toa fitaka ihany ilay hoe fitsitsiana
Nodradradradrainao ry ilay zandrikely,
Satria be dia be loatra ny fandaniana,
’Zay tena midika f’ianao tsy modely!

Vidianao ny entana lafo dia lafo,
Ny fiara efatrefatra raitra dia raitra,
Kanefa ny maro efa tsy misakafo,
Efa tojo ny mafy ary koa ny mafaitra!

Ny ho any Frantsa no tianao indrindra
Mba hialana voly ary koa hiantsenana.
Porofo fa tsy hainao ny mbola mandrindra,
Ka aato indray ny fifampiarahabana?

Mba lanjalanjao ihany ny atao ry zandry
Fa ny fahefana anie ka fanambinana.
Mieritrereta, aza tafandry mandry
Fa hisy ilay andro natao hanadinana!

Ilay tompontsika amin’io no hitsara.
(Tsy hisy eo intsony ilay hoe kolikoly).
Aza faly mangorona fa ’ndeha mizara.
Tandremo voafitaky ny asan-devoly !

DADAN’i ZINA (05-01-20)