MILA DADABENOELY

Asa raha ho avy ihany izany hoe krismasy,
F’efa reraka tanteraka ny vahoaka malagasy.
Mila dadabenoely mba hanova indray ny fiainany,
F’efa tena tsisy mihaino ny toloko sy tarainany!

Asa raha ho avy ihany izany hoe krismasy,
F‘efa haizina tanteraka no iainana eto an-dasy!
Mila dadabenoely hitondra rano sy hazavana,
Fa mangentana sy maina, maizim-pito ny tanàna!

Valalanina ny saina, tena reraka, torovana,
Fa ny jiro manazava sy ny rano izay hidiovana,
Mihasarotra isan’andro sady tena manahirana,
Toy ny efa manambara fa tsy misy ny mangirana!

Jiolahy no indreo mitondra sy manao izay tiany hatao.
Milaza hoe “nandia fianarana” saingy tsisy kalitao.
“Tsy marina sy tsy madio” ka tena tsy azon’iza ekena
F’efa poizina manimba sy mamono firenena!

SEDERA RAVALISON (11-12-19)