TENA DADABENOELY

Tena dadabenoely no ilaina eto an-tanàna,
Hitondra aina sy hafanana, hitondra rano sy hazavana,
Fa tsy dadabejoely havanana amin’ny fandihizana,
Ka hampiala voly fotsiny sy hanalanala vizana!

Tena dadabenoely no ilaina ankehitriny.
(Ho eo akaikin’ny vahoaka fa izany no iriny!)
Dadabenoely hendry ka hanohana azy foana,
Fa tsy dadabejoely mievo-dava, misavoana!

Tena dadabenoely no ilain’ireo ankizy,
Hizara mamy hatrany hatrany f’efa lava ny krizy.
Tena dadabenoely fa tsy dadabejoely.
Tsy handainga, hampanonofy, fa hivimbina tantely!

Tena dadabenoely no ilain’ireo vahoaka
‘Zay matory am-pitsanganana sy efa reraka manoaka!
Tena dadabenoely tia miantra sy mivavaka,
Fa tsy dadabejoely mbola hitondra ho any an-davaka!

Tena dadabenoely no ilain’ny firenena.
(Ilay milofo tsy mijanona, manana fandavantena,)
Fa tsy dadabejoely “vonjivonjy tavan’andro”,
Mody hoe hizara mamy nefa mifanahim-bandro!

SEDERA RAVALISON (11-12-19)