Fihaonan-dRavalo sy Rajao – Mivarahontsana tanteraka ny mpomba an-dRajoelina

Sary nindramina

Helisoa

Nihaona tany Frantsa ireo Filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina ny sabotsy lasa teo. Tao anatin’izany, tsy nisy ny fanambarana nataon’ny roa tonta, fa tombanan’ny maro ho mikasika ny raharaham-pirenena no laha-dinika tao ary ny fifidianana kaominaly farany teo.

Ny antoko HVM izay nanao fanambarana andro vitsy lasa miantso ny malagasy hijoro hiaro ny fahamarinana manoloana ny olana tamin’ireo fifidianana nisesy. Etsy andaniny ny antoko TIM ihany koa ny sabotsy teo, namory vahoaka tao amin’ny foiben-toerany tetsy Bel’Air, izay manohitra ny hosoka sy ny fandikan-dalàna maro niseho tamin’iny fifidianana iny. Ao anatin’izany ihany koa dia tombanana fa tsy maintsy niresaka ny mikasika ny raharaham-pirenena ankehitriny izy mirahalahy.

Tena ao anaty fahantrana sy fahasahiranana lalina mantsy ny vahoaka Malagasy ankehitriny raha nanantena fa hisy fiovàna eto amin’ny firenena raha ny fampanantenana nataon’ny mpitondra ankehitriny. Nampanantena ny mpitondra fa tsy haka ny tanin’ny tantsaha na iray dia aza, nefa alaina ny tany eny Ambohitrimanjaka. Ny fandriampahalemana nanaovana fampisehoan-kery hatramin’izao tsy misy vokany.

Rariny loatra ireto ray amandreny efa nitondra teto amin’ny firenena ireto raha nihaona sy niresaka satria ilain’ny vahoaka Malagasy izany mba hampisy fanantenana indray. Mahana ny ratsy nataony Rajoelina sy ny forongony satria misy fiteny Malagasy izay, ny tody tsy misy fa ny atao no miverina, nanongam-panjakana Rajoelina sy ny forongony, ny dikany tsy maintsy mbola haongana na hiongana ho azy koa!