EDITO 10 Desambra – Raharaha Ambohitrimanjaka – Manao izay hanampempoana ny vahoaka sisa ny fitondrana

Sôh’son

Miverimberina matetika ao amin’ny fahitalavi-panjakana Tvm ilay fandaharana manokana nataon’ny filohan’ny Repoblika niarahany tamin’ny mpanao gazety metimety aminy, niresahany momba ny tetikasa Tana-masoandro. Ny fiverimberenan’izany nisarika ny sain’ny mpandinika, fa misy antony izany.

Ny voalohany amin’izany, dia sahirana Rajoeliana mandresy lahatra ny vahoaka, ka ny atao dia miezaka ny hanao izay hanasana ati-doha azy ireo. Tsy afa-misaraka amin’izany ny famelezana am-bava ireo mpanohitra azy na ireo vahoaka eny Ambohitrimanjaka, sy ny kaomina manodidina na ireo mpanohitra tsy mitovy hevitra amin’ny fitondrana ny amin’ny hanatanterahana io tetikasa io, eny amin’iny faritr’i Betsimitatatra iny. Efa nambara teto amin’ny gazety fa tsy mitovy ny “context”, ka tsy mety ny hampitahana ny tamin’ny andron’ny filoha Tsiranana sy ny ankehitriny. Karazany fanaovana hitsin-dalana fotsiny izao, tsy amim-piheverana ny hoe rehefa nanao fanotofana ny tany tamin’izany fotoana taloha izany dia mbola mety koa amin’izao fotoana izao. Hadisoan-kevitra izany ary fomba fiasa tsy amim-pahendrena, matoa misy vahoaka manohitra, nisy mihitsy aza ny namoy ny ainy. Fa tena fanapahan-kevitra amim-pahendrena tanteraka ary tokony hatao mihitsy izay rehefa tsy misy vahoaka manohitra eo. Tsy adala akory ny vahoaka tsy hahalala izay hahasoa azy sy ny firenena, fa matoa toheriny misy tsy mety ao ary tsy mety mihitsy.

Ny fahitan’ny fitondrana izay fihetsiky ny vahoaka izay no mahatonga izao famerimberenana fandaharana any amin’ny fahitalavi-panjakana izao, mba ho entina hanampempoana azy ireo. Ezahina hitombo isa araka izay ao anatin’izany ireo olona marivo salosana rehetra.

Midika ho tsy fahaizana mitondra firenena ihany izany, fa ny tena izy dia ny fifanatonana sy fifampidinihana lalina amin’ny vahoaka voakasika ary misy fehin-kevitra iombonan’ny rehetra ary ankatoavin’ny rehetra no mivoaka avy eo. Mety ho haingana tsy araka ny fe-potoana nofaritana indray aza ny tetikasa amin’izany fotoana izay, satria na ny vahoaka aza mety hanome tanana. Ny fanaovana amboletra fotsiny izao ny tetikasa dia tsy hitera-bokatsoa velively, na ho an’ny fitondrana, na ho an’ny vahoaka sy ny firenena.