EDITO 7 Desambra – Fitondrana Rajoelina – Mikatsaka hampihitsoka ny firenena anaty tsy fahamarinana

Sôh’son

Misy olona eto faly amin’izay hampihitsoka lalina ny firenena ao anaty tsy fahamarinana dia ny fitondrana Rajoelina izany. Ireo olona ireo, ao anaty sokajy na vondron’olona no miezaka mihazompahefana eto amin’ity firenena ity. Efa hita izao ary miharihary toy ny vay an-kandrina ka sady maharary no mahamenatra, ny toe-javatra mitranga, dia mbola ikimpiana sy hifaliana ihany.

Tamin’ny tsy fahamarinana no niaingan’ny fifidianana filoham-pirenena, nanao tohi-vakana hatraty amin’izao fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina izao. Ireo olona ireo tsy afaka handà velively fa tsy madio marina ireo fifidianana ireo. Ireo anefa no ireharehany ankehitriny. Faly amin’ny zavatra tsy marina. Niarahan’ny vahoaka nahita anefa ny zava-nisy tamin’ny andro fifidianana farany iny nampitain’ireo haino aman-jery samihafa. Tsy ilana fanazavana amin’ny vahoaka izany, fa efa niharihary ny tsy fahamarinan’ny fifidianana. Izay mandiso izany dia tena manao ny vahoaka ho zaza azo ambakaina lava izao. Ny olona manana izany fisainana izany no tena fositra manimba sy mampikorosy ity firenena ity.

Tsy adino velively, fa mipetraka ho tantaran’ity firenena ity, ny hetsika nataon’ny vahoaka teny amin’ny kianjan’ny 13 Mey nitaky ny fahamarinana. Antsoantso sy hetaheta ny amin’ny hamoahana ny marina amin’ny fifidianana no nataon’izy ireo tao anaty andro maromaro. Niaraha-nahita tsara anefa ny antsojay nanaovana azy ireo, izay midika mazava tsara fa tsy tiana ny hivoahan’ny marina ary tsy tiana ihany koa ny hahafantaran’ny vahoaka izany marina izany. Izany hoe ny tsy fahamarinana ihany no tiana halentika ao an-dohan’ny vahoaka sy hiainany eo anivon’ny fireneny mandritry ny androm-piainany.

Mazava loatra fa tsy rariny sy tsy hitsiny izany. Ary ny tena fisainana lomorina ao anatin’izany, rehefa tenenina toy izao izy ireo, dia tsy manan-tsaina afatsy mitodika mijery ny hafa haingana, ka manao fampitahana aminy eo, avy eo dia ailika any ny rihitra, fa tsy mahatsiaro tena ho diso velively. Toetsaina efa tena lany andro tanteraka izany ankehitriny satria efa hita tsotra izao fa tsy mampandroso firenena. Milaza ny tenany ho mikatsaka fampandrosoana izy ireo, satria mieboebo ho eo amin’ny fitondrana. Ity toe-tsaina tsy tia fahamarinana ity anefa mitarika azy ireo hihemotra. Dia mazava loatra fa tsy hisy fivoarany velively ny firenena fa mihodinkodina fotsiny eo.

Tsy afaka hampandroso firenena velively ny olona velomin’ny tsy fahamarinana na hihodin-kavia na hihodin-kavanana. Ny hoavin’ny taranaka any aoriana ihany koa dia tsy hanjary satria faka ratsy no nampaniriana hamoa ravina sy voany hiotazan’izy ireo. Tsy mendrika izany anefa ny taranaka fara amandimby.