LANY HENATRA TANTERAKA …

Lany henatra tanteraka ny komitim-pifidianana,
Ka manohy ny fomba ratsy izay nataony teo aloha.
Re fa mbola nokitihiny ny lisitra efa nofaranana,
Hoentina mba hampandany iretsy olon`ny filoha !

Tena tsisy zava-marina ny rehetra izay ataony,
Tsy arakaraky ny vava sy ny teny izay teneniny.
Hosoka sy hala-bato, izany izao no kilalaony.
Tsisy zavatra mandeha satria ny marina nafeniny!

Ireo mikasa ny hampitaha dia noteneniny sahady
Fa hoe tsy azo tanterahina izany fikasana izany.
Manahirana ,hono, mantsy sady “tena saro-pady”,
Toy ny te hilaza hoe: “mangina fa `zay tianay ihany!”

Lany henatra tanteraka ny komitim-pifidianana,
Very anarana mihitsy ilay hoe “olon`ny lalàna”.
Ireny ve no tena nianatra izany atao hoe “fitantanana”,
Sao dia tena hoe tampohiny mba nahazo fahefana?

Efa intelo tsy nahomby ireo nikarakara ireo,
Ka mila esorina tanteraka, raha tenenina mivantana.
Ny handeha hifidy mihitsy no efa tena mankaleo
Raha mbola olona tsy marina no tendrena ho mpitantana.

DADAN’i ZINA (06-12-19)