“Zavatra tokana no takianay,… ny hanaovana fampitahàna ny lisi-pifidianana”

Ireo depiote TIM, nitafa tamin’ny mpanao gazety teny Bel’Air ny 4 Desambra 2019

Depiote TIM- Nisy ny hala-bato, maro ireo porofo

Helisoa, Ranzefa

“Ady amin’ny tsy fahamarinana izy ity ka tsy misy hilefitra izany eto raha tsy mipoitra ny marina.”

“Tsy misy mipetraka izany eto raha am-pitaka no hanodinana ny safidim-bahoaka.”

Nampiaka-peo ireo Solombavambahoaka avy amin’ny Antoko Tiako i Madagasikara, voafidy manerana ny Nosy nandritra ny valandresaka nataony ho an’ny mpanao gazety tao amin’ny foiben-toeran’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), etsy Bel’Air Ampandrana omaly. Hita hoy ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa, fa niseho tamin’ny endrika maro ny hala-bato, tamin’iny fifidianana ben’ny tanàna sy Mpanolotsaina notanterahina ny faha 27 Novambra lasa teo iny.

Porofo maro ankehitriny no ahafahana manamarina fa nokitihina tamin’ny fotoana tsy manaraka ny lalàna velona ny lisi-pifidianana. Fijoroana vavolombelona an’arivony no voaray ary voaporofo, ka ahafahana milaza izany. Toa vao mainka manamafy izany rahateo koa ny filazan’ny CENI, fa tsy mahefa hanatanteraka fampitahana mahakasika ny lisi-pifidianana izy ireo.

Ny Lisi-pifidianana: nokitihana; nisy ny nanesoràna na nampiana. Tsy mitovy ny lisitra nampiasaina tamin’ny fifidianana Depiote sy ny farany teo dia tamin’ny Ben’ny tanàna sy Mpanolotsaina. Niovaova ny laharan’ny mpifidy tao anaty lisitra, nisy ireo biraom-pifidianana niova. Ny Rajout: lasa nitombo be Doublons na triplons; biletà halatra voamarika mialoha sns…

Nanamafy ny depiote Fidèle Razara Pierre, fa tsy hipetra-potsiny ny antoko TIM nanoloana ny halabato izay misy ary efa hananana porofo maro ankehitriny . Zavatra tokana no takianay hoy izy dia ny hanaovana ny fampitahàna ny lisi-pifidianana tamin’ny solombavambahoaka sy ny lisitra nifidianana tamin’ny ben’ny tanàna. Raha resy amin’ny fahamarinana izahay hoy izy dia mahay mipetraka, fa raha tsy resy kosa dia tsy hipetraka izahay hoy izy nanamafy.