EDITO 30 Novambra – Baolina kitra – Lasa fitaovana politika ny FIFA

Ny Valosoa

Ny taranja baolina kitra no be mpankafy indrindra erantany sy eto Madagasikara, ka raha vao io taranja io no voatohintohina dia mankararirary ny ankabeazan’ny vahoaka, mahalala izany ny mpanao politika ka izay no mahatonga ny baolina kitra ho lasa fitaovana politika.

Ny Fifa, na Federasiona iraisampirenena misahana ny baolina kitra ihany koa no federasiona goavana indrindra erantany, manana ny lanjany sy ny heriny ary ifantohan’ny mason’ny mpanarabaovao ny fihetsiky ny mpitantana ny Fifa.

Nandalo teto amintsika ny filohan’ny Fifa, Givani Infantino nandritra ny fotoanan’ny fampielezankevitra, ho an’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsainan’ny tanàna farany teo, nisy ny fitokanana fotodrafitrasa natrehany niaraka tamin’ny filohampirenena tamin’izany, izay midika ho fanitsakitsahana ny lalampanorenana satria voarara ny fanaovana fitokanana mandritra ny fotoanan’ny fampielezanakevitra. Nisy ny fanambarana nataon’ Ingahy filohan’ny Fifa mikasika ny kianjaben’i Mahamasina, izay noharararaotin’ny mpitondra nanaovana fampielezankevitra ankolaka nanaratsy ny mpitondra ny tanànan’Antananarivo, azo lazaina fa nahomby io fanambarana io ary nisy fiantraikany tamin’ny isambato, satria maro ireo tsy namakafaka tsara, ny fanambarana nataon’Ingahy filoha ihany koa nataony ny andro farany tamin’ny fampielezankevitra dia tsy afa-namaly intsony ny avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM).

Mety tsy fanahy iniana ny an’Ingahy Filohan’ny Fifa na koa kajy efa vita mihitsy fa mody adala, satria ny olona akaiky azy ao amin’ny Fifa anie dia Ramatoa Fatma Samoura, ilay Sonegaly vavy nahazo baiko izay efa diso fantatry ny vahoaka malagasy ny nataony tamin’ny fiarovana an-jambany ny mpanongampanjakana, fony izy nanana andraikitra ambony tao amin’ny Pnud teto amintsika ary indrindra Ingahy Ahmad filohan’ny Caf, izay mpiaradia hiringiriny tamin’ireo nanongampanjakana izay tarihan’ny filoha Andry Rajoelina.

Fanamby napetraky ny tompon’andraikitra ambony iraisampirenena eo amin’ny sehatra olympika ny tsy hitsabahan’ny mpitantana federasiona amin’ny raharaha politikan’ny firenena iray. Ny fihetsika nataon’ny tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny Fifa anefa dia manalabaraka tanteraka ity federasiona iraisampirenena amin’ny taranja baolina kitra, azo lazaina ho nahomby ilay teti-dratsy, fantatra fa tsy maintsy hanadio tena ny Fifa, na hisy ny hijoro hiaro sy hisolo vava azy izay azo antoka fa ho malagasy , fa ny tsy azo ihodivirana dia tsy afa-miala amin’izao Ramatoa Fatma Samoura sy Ingahy Ahmad satria efa niaraha-nahita ny nataony teto nandritran’ny fitondrana tetezamita.