Marc Ravalomanana – Tsy ho amelatsika ity raha tsy mipoitra ny marina

Fifidianana alarobia 27 novambra

Betsaka ireo olona miantso telephone, mitondra ny porofo ary tonga ao amin’ny QG Belera.

Tamin’ny antso nataon’ny kandidà Rina dia tonga maro ny olona nitondra porofo, ohatra bulletin unique pré-coché. Misy ny zavatra tsy nanjary teto.

Araka ny lalàna dia tsy kitihina ny lisi-pifidianana nampiasaina tamin’ny fifidianana depiote. Nefa mazava be fa nokitihina ilay izy. Afaka manaporofo izany izahay.

Ianareo izay manana porofo na iza na iza ka mahatsiaro fa manana andraikitra sy adidy amin’ity firenena hijoro amin’ny fahamarinana, tongava. Eto daholo ny porofo.

Tsy afaka handroso i Madagasikara raha tsy mijoro amin’ny fahamarinana ny vahoaka Malagasy.

Dia sahy milaza aho fa nokithina ny lisi-pididianana tamin’ny fididianana depiote. Ary dia novaina.

Tsy tomombana araka ny fiheverana azy ny fifidianana, ary tsy mendrika, tsy sahaza amin’ny vahoakan’Antananarivo intsony izany.

Tsy ho ameltsika ity raha tsy mipoitra ny marina. Tena miantso anao ry vahoakan’Antananarivo, fa hijoro hatramin’ny farany ho an’ny fahamarinana.