Raharaham-pirenena – Atao izay hahavery dia ny vahoaka noho ny fangirifiriana sosialy

Sôh’son

Mihazakazaka sahady ny fidangan’ny vidin-javatra amin’izao fotoana izao, mbola tsy mifarana akory ny volana novambra ary tsy mbola miditra amin’ny volana desambra, izay mamofompofona fety krismasy sy faran’ny taona. Izao sahady dia efa mitombo hatrany amin’ny 2 000 Ar ny fidangan’ny vidin-tsakafo fanjfan’ny mponina andavanandro. Hitanisa kely sasantsany isika: raha 13000 Ar ny vidin’ny hen’omby teo aloha dia lasa ho 15000 Ar izany ankehitriny; ny atikena dia tafakatra hatrany amin’ny 19000 Ar; ny henakisoa 13000 Ar; ny tongotr’omby 7000 Ar ny tongodavany iray; ny legioma miaka-bidy avokoa; ny saribao fandrehitra fandrahoan-kanina dia miziriziry amin’ny vidiny ambony dia ambony 22000 Ar, na misy mbola mihoatra an’izany aza, sns… Mbola hanara-dia ireo ny sakafo fanjifa hafa ato ho ato. Efa nambara teto amin’ny gazety fa ho mafy dia mafy ny fidangan’ny vidim-piainana hiditra ny volana desambra sy mandray ny taom-baovao. Vao mainka hijaly sy hangifiry mafy ara-tsosialy araka izany ny vahoaka Malagasy ao anatin’izao fitondrana Rajoelina izao, izay variana tanteraka amin’ny resaka kajikajy politika hatrany.

Tsy manana vahaolana matotra nisorohana izany ny fitondrana, fa hilalao tanana, na ho be vava fotsiny amin’ny haino aman-jery toy ny nataony tamin’ny alatsinainy 25 Novambra lasa teo. Mahavariana fa ny hafa hatrany no omena tsiny sy tsikeraina ho mpanakana ny fampandrosoana eto. Aoka hazava, fa tsy misy fiantraikany mihitsy amin’ny fangirifirian’ny vahoaka ara-tsosialy toy izany ny fihazakazahana hametraka jiro hampamirapiratra ny araben’ny fahaleovantena hiatrehana ny fetin’ny krismasy sy faran’ny taona sy taom-baovao. Sady zavatra vitan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), sy efa fanaony isaky ny fety izany, ka tsy dia ilana fitsabahan’ny fitondrana loatra, na izany aza, tsy ranon’Ikopa ny CUA, ka ho tonga namana vao ho mavomavo. Resaka mirefarefa izany fifaninanana amin’ny CUA izany ary tena fanaovana ny vahoaka Malagasy ho toy ny bado na zazabodo, omeny vatomamy hangina rehefa mitomany, na ampiesonina amin’ny resaka mampandry adrisa.

Miendrika fanesoana ihany koa aza ny fitenenana ny hankanesany, izy sy ny zanany vavy ho any amin’ny KFC hisakafo rehefa tonga eto Madagasikara ny zanany. Ny vahoaka maro an’isa aza ity sahirana amin’ny hanina hohaniny isan’andro, ary efa fanambinan’Andriamanitra lehibe mihitsy tsindraindray, mahalana dia mahalana, vao mahita sy mihinana sakafo tsaratsara kely sy mba misy kalitao sy habetsahana. Tsy ny sarambabem-bahoaka velively no afaka hihinana amin’ny toerana ana orinasa iraisam-pirenena toy izany noho ny vidiny, sa hisy “akoho mora” koa ao amin’izany toeram-pisakafoanana izany? Ezahin-dRajoelina izay hahavery dia ny vahoaka Malagasy miditra ao anaty fahasahiranana mafy ara-tsosialy izao.