Fitantanana ny firenena : miala any ny “devolykrasia”

Andry Tsiavalona

Maro angamba no tsy mbola tena mahafantatra ny famaritana ny atao hoe “demokrasia”, ka izay no mahatonga ny fisalasalana sy ny tsy fandraisana andraikitry ny ankamaroan’ny olompirenena. Tsy maintsy fantarina anefa fa “fanjakam-bahoaka” no famaritana io teny io. Ny vahoaka izany no misafidy izay olona heveriny fa tena “ray aman-dreny” hiahy sy hikolokolo ary hikatsaka marina izay hampivelatra sy hampandroso ary hametraka ny mpiray firenena eo amin’ny toerana mendrika azy, eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena indrindra indrindra. Ny tena ray aman-dreny koa dia tsy mandrahona sy mampatahotra ary manao mizana tsindrin’ila fa mitovy tantana ny mpiray firenena rehetra.

Toy ny ao amin’ny ankohonana, tsy mitovy hevitra sy fomba fijery ny zanaka sy ny ray aman-dreny, eny na ny mpivady aza ary misy fahendrena malagasy manao hoe: “raha mitovy hevitra ny mpivady dia maty hatramin’ny akoho manatody”. Tsy mivarotra ny fananana ao antokan-trano na baikon’ny avy any ivelany amin’ny fomba fitantanana sy fandrindrana ny fiaianam-pianakaviana.

Raha ny toe-draharaha iainan’ny vahoaka malagasy efa ho herintaona izao dia tsy misy izany “demokrasia” izany eto amin’ity Nosy ity. Tsy mahatsiaro tena ho tomponandraikitra sy mpanangana ny hoaviny ny gasy fa miandry mahazo fotsiny ary voatambitambin’ny patsa indray mahandro, ka jamba tsy mahita izay làlan-kombany sy voasariky ny rendrarendra sy ny tanamasoandro tsy hitondra fahazavana ho azy sy hanaisotra tsy ho eo amin’ny toerana misy azy ankehitriny akory.

Manararaotra izany toe-javatra izany ny mpitondra amin’izao Repoblika IV andiany faharoa izao, ka tsy hita taratra eo amin’ny fiainam-bahoaka izany demokrasia izany ary amin’ny ankapobeny dia ny vahiny no mibaiko sy manome toromarika amin’izay tokony hataon’ny mpitondra.

Raha tena fampandrosoana no tena katsahina eto amin’ity firenena ity dia tsy maintsy mahafantatra tsara izay tena laharampamehana hahatrarana izany tanjona ny mpitondra. Tsy hampandroso ny vahoakan’Ambohitrimanjaka velively ny fanotofana ny tanimbariny sy ny tanim-boliny satria voatery hiala eny amin’ny tanindrazany izy ireo, ka ho toy ireo tsy manan-tany eny ambanivohitra, ka hirohatra ho aty an-drenivohitra hanamaro isa ireo efa tsy manan-kialofana indray.

Azo inoana mantsy fa tsy hisy handeha an-jambany ho any Bevoay izany ireo olona terena amin’izany, indrindra vola tsy mahavita na inona na inona no tambin’ny fialany eny. Afaka manao kajy amin’izany na dia ireo izay mba nahita fianarana kely aza.

Ka ny fanambakana vahoaka dia tsy “demokrasia” fa “devolykrasia” satria ny devoly no mamitaka sy maka fanahy ny tsy manan-tsiny ary ny miaramilan’ny devoly no mandroboka ny olona hijabaka ao amin’ny lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana. Tsy henatra tsy tahotra ny an’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina mampifandray ity toe-draharaha eny Ambohitrimanjaka ity sy ny fanamboarana kianjaben’i Mahamasina. Handaniana firy miliara ny kianjaben’i Mahamasina ary ambonin’izany dia ny fanambaran’ny filohan’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa) hoe tsy azo handraisana lalao iraisam-pirenena intsony ve ny kianjan’i Mahamasina no hararaotina ilazana fa tsy te-hampandroso an’Antananarivo izay manohitra izany tetikasa izany. Ny feon’ny vahiny iray no hanatsinontsiniavana ny feon’ny vahoaka.

Efa misy kianja “synthetika” any Toamasina, any Fianarantsoa, ary eto Antananarivo dia misy koa any Carion sy Imerintsiatosika. Koa avelao mba hisitraka izany lalao iraisam-pirenena izany ny any amin’ny faritra satria samy Malagasy, ka mitovy zo fa tsy ny eto an-dRenivohitra ihany no homena fahafaham-po.

Mbola mampiseho fanavavakavahana ihany koa ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika ihany fa homena folo miliara ariary sy fiara vaventy 15 (camions bennes) Antananarivo entina hampandrosoana ny tanàna, resaka fako sy loto no niandohan’izany.

Nanambara ihany koa ny ray aman-drenin’ny vahoaka Malagasy tsy vakivolo fa tsy hiara-hiasa amin’izay ben’ny tanàna tsy mitovy hevitra aminy. Koa raha izay no hitranga eto Antananarivo dia homena an’iza ireo zavatra natolotra ireo?

Mbola manaporofo ihany izany fa ny “devolykrasia” no manjaka eto. Tsy eto an-drenivohitra ihany anefa no mivangongo ny fako fa any amin’ny tanàn-dehibe rehetra manerana ny Nosy, ka maninona no tsy zaraina ho an’ireo renivohi-paritany enina, na dia Toamasina ihany aza no Miami, izany vola be izany. Fantatry ny filohan’ny Repoblika fa nesorina tamin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo ny andraikitra nosahaniny teo aloha, fa nomena ny fahefana mpanatanteraka kanefa dia manilika andraikitra izy lehiben’ny mpanatanteraka ary miampanga ny hafa ho tsy mandray ny andraikitra tandrify azy, aoka hazava anefa fa ny devoly no mpiampanga lainga.

Hampahany amin’ny asan’ny miaramilan’ny devoly misy eto amin’ny firenena ireo fa maro tsy tambo isaina izy ireny, ka aza miara-dàlana amin’ny ratsy (devoly) satria ny “fiarahana amin’ny ratsy manimba ny toetra tsara”.