Rina Randriamasinoro – Fisaorana sy antso

Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika fa afaka namita ny adidintsika tamin’ny fifidianana Ben’ny Tanàna sy Mpanolotsaina teto Antananarivo renivohitra ka hanehoako etoana ny fisaorana sy fankasitrahana ny vahoakan’Antananarivo tonga nifidy na dia teo aza ny tsy fahatomombanana isan-karazany.

Tsapako ny fitaintainanareo sy ny alahelo satria maro taminareo no tonga teny amin’ny Biraom-pifidianana nefa tsy afaka nifidy na dia manana kara-pifidianana satria tsy hita indray tao anaty lisi-pifidianana.

Araky ny Didim-pitondrana laharana 2018-1541 izay manambara mazava fa ny lisi-pifidianana nampiasaina tamin’ny fifidianana solombavambahoaka izay nifarana tamin’ny 15 mai 2019 ihany no hany manankery ary tsy azo ampiana na analàna amin’ny fifidianana Ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina ny 27 novambra 2019.

Toy ny fifidianana nifanesy teo aloha dia hita sy tsapa ny hosoka sy hala-bato tamin’ity fifidianana Ben’ny Tanàna sy mpanolo-tsaina ity. Koa miangavy anao izay manana porofo mba hitondra izany aty amin’ny Quartier Général ny Antoko Tiako Madagasikara ao Bel’air fa hisy handray anao.

Eo am-piandrasana am-pitoniana ny voka-pifidianana dia maneho fisaorana anao aho amin’ny fiaraha-mientana.

Homba antsika anie Andriamanitra

Ny Kandidà Rina RANDRIAMASINORO

Rohy pub FB MBS