Kaominina Antananarivo Renivohitra – Hiampita any amin’i Rina ny fanilo

Isambilo

Hiampita any amin’ny kandidà Rina Randriamasinoro ny fanilo ho an’ny fitarihana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), raha ny vokatra vonjy maika tsy ofisialy hatreto, mitarika ny kandidà natolotry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Ny vokatra ofisialy dia ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana no hamoaka azy ho an’ity fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina ity. Hiampita avy amin’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana tsy ho ela arak’izany ny fitantanana ny Renivohitr’i Madagasikara, hankany amin’i Rina izay mpiara-miasa aminy ihany teo aloha, talen’ny fitantanam-bolan’ny CUA, lasa sekretera jeneraly avy eo, mialohan’ny nirotsahany ho kandidà ben’ny tanàna izao. Anisan’ny nanampy betsaka an’i Neny sy ny ekipany tamin’ny fahavitany ireo zava-bita maro teto an-drenivohitra i Rina, na misy aza nilaza fa tsy nahavita ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ny ekipany.

Maro tokoa ny zava-bitan’ny ekipan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana nandritra izay 4 taona izay, na nisy aza ny sakantsakana natao sy mbola ataon’ny fitondrana foibe aminy hatramin’izao. Efa notaterina tamin’ity gazety ity avokoa izay zava-bita izay, ary hita ihany koa ao amin’ny tambazotra facebook ny kaominina dia ny CUA Serasera Ofisialy izany. Ny jamba sy ny tsy te-hahita ihany no milaza fa tsy mahita izay zava-bita maro, nataon’ny ekipan’ny ben’ny tanàna ankehitriny izay. Mendrika izy satria izy no ben’ny tanànan’ny Renivohitra, andriambavilanitra voalohany voafidim-bahoaka ary izao hanolotra ny fahefana ho an’i Rina izao ato ho ato.

Mahakasika ny ben’ny tanàna vaovao Rina Randriamasinoro, tamin’ny 11 ora atoandro teo koa izy no nifidy omaly, teny amin’ny EPP Ankadindramamy Boriboritany faha-5. Mbola nanentana ny mpifidy hanefa ny adidiny izy tamin’izany, ary efa nahatoky fa izy indray no ho ben’ny tanàna vaovaon’ny Renivohitr’i Madagasikara.