EDITO 25 Novambra – Aoka ho saro-piaro amin’ny maha Malagasy isika

Sôh’son

Firenena manana ny maha izy azy isika Malagasy ary tsy tokony ho mena-mitaha velively amin’ny any ivelany. Manana ny maha izy azy isika, indrindra eo amin’ny lafiny kolontsaina sy ny fiandrianam-pirenena, ka tena tokony ho sarotiny tanteraka mihitsy. Tsy tokony hatao an-tsirambina velively ny maha Malagasy ny Malagasy, fa tena hadisoan’ny taranaka ankehitriny raha mandraraka ny ilo mby an-doha. Nahasarika ny sain’ny mpanara-baovao ny nandre tamin’iny herinandro lasa iny, fa tapa-kevitra ny hanova ny hiram-pireneny ry zareo any Niger. Ny antony, dia misy voambolana ahitana taratra hatrany fanjanahana frantsay sy miendrika fisaorana azy. Niteraka fanakianana be any an-toerana izany tato ho ato. Fantatra ihany koa fa teratany frantsay no namorona ny hiram-pireneny, ny tonony sy ny feony, ka tsy atao ho mahagaga raha izany no voarakitra ao anatiny. Ny lohatenin’ny hiram-pirenena ao Niger aza dia hoe “ La Nigérienne”. Fa izao izany vao tonga saina ny vahoaka ao Niger amin’ny ady an-kafetsena ataon’ny Frantsay tamin’ireo zanataniny teo aloha. Marihina ihany koa fa i Sénégal sy Centrafrique, dia teratany frantsay iray no namorona ny hiram-pireneny. Ny an-dry zareo senegaley dia hoe “Lion rouge”, ary ny an’i Centrafrique dia “ La Renaissance”.

Miharihary araka izany ny maha zava-dehibe ny fananantsika ny hiram-pirenentsika “ Ry Tanindrazany Malala ô!”, izay Malagasy ray, Malagasy reny izy mirahalahy namorona azy, dia Raharisoa Norbert sy Pasteur Rahajason. Ary tamin’ny vao niverina ny fahaleovantenantsika no nohiraina avy hatrany izany hiram-pirenena Malagasy izany. Ny an-dry zareo ao Niger kosa herintaona taty aoriana ny nahazoany fahaleovantena vao vita izany hira tsy hohiraina intsony izany manomboka izao. Efa nisy fananganana komity any an-toerana amin’izao fotoana izao ary mpikambana maromaro eo anivon’ny governemanta sy manampahaizana ambony amin’ny lafiny fanoratana sy momba fandrafetana mozika ao Niger no mandrafitra azy. Efa am-polon-taonany maro aty aoriana izany vao hanana ny hiram-pireneny miainga avy ao aminy tanteraka , miainga amin’ny hetaheta sy tanjona tiana ho tratrarina dia ny hamelona ny fitiavan-tanindrazana ao am-pon’ny vahoaka ao Niger.

Mila mahatsapa ny lanjan’izany maha Malagasy izany ny vahoaka. Ny fananana harena ara-kolontsaina toy izany, miaro sy saro-piaro amin’ny maha Malagasy tanteraka no antoky ny fandrosoan’ity firenena ity. Fa raha fitiavana ankosotra ihany, vao mainka hampilentika azy.