Tanànan’Antananarivo: mitaky Ben’ny tanàna hentitra

Andry Tsiavalona

Manana ny soatoaviny sy sy hasiny ity renivohitr’i Madagasikara ity, toy ireo tanàna rehetra any amin’ny Faritra. Araka izany dia mila olona tsy mandray baiko sy tsy manaiky ho saribakoly fotsiny fa mitaky olona hentitra sy sahy mijoro amin’ny maha tomponandraikitra voalohany (premier magistrat) azy eto amin’ny tanàna.

Dimy lahy ireo kandidà ho ben’ny tanàna eto amin’ny Renivohitr’i Madagasikara. Tsy nisy vehivavy na iray aza tamin’ity indray mitoraka ity. Tanora ny maro an’isa amin’izy ireo ary mazava ho azy fa ny tanora amin’ny ankapobeny dia mavitrika sy tsy manaiky lembenana na dia mety misy tsy manana traikefa loatra eo amin’ny fitantanan-draharaha eo amin’ny sehatry ny asam-panjakana aza.

Iaraha-mahalala ny zavatra iainan’ny vahoakan’Antananarivo tato anatin’ny folo taona. Nanomboka ny taona 2009 dia Filohan’ny delegasiona manokana (Président de la Délégation Spéciale, PDS) no nitantana ny tanàna, izay tsikaritra fa nandray baiko avy amin’ny mpitondra satria notendrena teo amin’ny toerana, ka toy ny rehetra manana izany sata izany dia tsy tompon’ny fanapahan-kevitra fa miandry izay baiko avy amin’izay nanendry fotsiny. Nanomboka tamin’izany no nirongatra ny fanotofana tany teto an-drenivohitra izay ny tao amin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany no nanome alàlana, ka maro ireo mponina nongotana teo amin’ny taniny, toy ny teny Ankadimbahoaka. Rehefa Nesorina teo amin’ny fiadidiana ny tanàna ny Samva, mpitatitra sy mpanatoby ny fako eny Andralanitra fa nomena ny fahefana mpanatanteraka amin’ny alàlan’ny minisiteran’ny rano. Raha ny fiadidiana ny tanàna ihany koa no niandraikitra ny fanamboarana ny lalana ato anatin’ny tanàna dia nomena ny minisiteran’ny asa vaventy koa izany.

Na izany na tsy izany dia niezaka foana ny fiadidiana ny kaominina nanamboatra izay azony natao. Tsy misy tatitra moa fa azo heverina fa nahazo ny “subvention” fanomen’ny fanjakana ny kaominina ny delegasiona manokana. Ny mahavariana dia ireo mpiaradia amin’ny mpitondra dia manenjika tsy misy toy izany ny Ben’ny tanàna ankehitriny, Ravalomanana Lalao, ary mandoto ny sain’ny mponina amin’ny fialazana etsy sy eroa, indrindra amin’ny tambazotra serasera, fa tsy mahavita ny andraikiny ka mivangongo tsy misy mpaka ny fako. Mila ben’ny tanàna sahy mamotsipotsitra ho fantatry ny rehetra ireo toe-javatra ireo ity Renivohitra ity. Mitaky ben’ny tanàna mahafantatra tsara ny olana mianjady amin’ny mponina isaky ny boriborintany ary efa manana vahaolana mifanandrify amin’izany.

Misy ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, toy ny any amin’ny tanàn-dehibe rehetra ny eto amin’ity Renivohitra ity, ka mila olona sahy hamerina izany eto. Tsy ny famafàna izay nataon’ny teo aloha kanefa mahasoa no ihazakazahana fa ny manatsara izany raha ilaina. Efa mahazatra ny gasy loatra ny mamafa ny dian-tànan’izay nitondra teo aloha na tsara izany na ratsy. Mitaky Ben’ny tanàna manana vahaolana ho an’ireo mpivarotra amoron-dàlana satria very asa tamin’ny taona 2009 izy ireny kanefa mila vola entina mamelona ny tena sy ny ankohonana.

Hita eto amin’ity Renivohitr’i Madagasikara ity avokoa ny loza amin’atambo rehetra tsy fahita hatramin’izay. Ny mponina na mpifidy mpisolelaka sy tia kely ary jamban’ny patsa indray mahandro ihany no minia mikimpy tsy te-hijery izay kandidà tena vonona hampandroso sy hampivoatra ity Renivohitra ity. Ny nenina anefa tsy eo aloha hananatra fa aoriana handatsa.