Stephan Narison, mpikaroka – An’ny Malagasy ireo Iles Eparses, tsy ekena ny fanotofana an’Ambohitrimanjaka

Ny mpikaroka Malagasy eo amin’ny sehatry ny Fizika, Stephan Narison

Isambilo

Naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena ny mpikaroka Malagasy miasa any Suisse, Stephan Narison, izay mandalo eto amintsika amin’izao fotoana. An’ny Malagasy ireo nosy manodidina an’I Madagasikara, antsoina hoe Iles Eparses, hoy izy. Noho izany, nanambara izy fa tsy ekena ny fiaraha-mitantana ireo Nosy ireo. Tsy ekena ihany koa ny fisian’ireo miaramila Frantsay ao amin’ny Nosy Sambatra na Iles Glorieuses. Tsy ekena koa hoy izy ny fanotofana ny tanimbary eny Ambohitrimanjaka, izay fiveloman’ny mponina eny, mamokatra vary an-taoniny maro isan-taona. Milaza koa ity mpikaroka Malagasy malaza ity, fa tsy ekeny ny fitrandrahana fasimaity any Toliara, izay manimba ny tontolo iainana no manimba ny fahasalaman’ny mponina any an-toerana koa noho ny vokatra ara-pizika sy ara-tsimian’ny fitrandrahana.

Mpikaroka eo amin’ny sehatry ny Fizika moa Andriamatoa Stephan Narison.