Fandresen’ny Barea an’i Niger – Nisy ireo nihetraketraka namaky fitaratra fiaran’olona

Fiara vaky fitaratra noho ny hetraketraky ny sasany, tsy nahay naneho ny hafaliany noho ny fandresen’ny Barea

Lita

Faly avokoa ny Malagasy rehetra manerana ny Nosy ny talata alina lasa teo, noho ny fandresen’ny ekipam-pirenena Malagasy eo amin’ny baolina kitra ny Barean’i Madagasikara, ny ekipam-pirenen’i Niger tamin’ny isa mavesatra 6 no ho 2. Tao aorian’ny lalao tany Niamey, marobe ireo olona nivoaka teny an-dalambe tsy teto an-drenivohitra sy ny manodidina ihany, fa saika manerana an’ireo tanàn-dehibe manerana an’I Madagasikara, naneho ny hafaliany: nihorakoraka, nanapoaka tsipoapoaka, eny afomanga koa aza.

Ny mampalahelo kosa anefa, nisy tsy nahay naneho ny hafaliany fa naneho ny haratsian-tsainy namotika fananan’olona, namaky fitaratra fiarakodian’olona teny an-dalana teny. Tena zavatra tsy mety ny toy izany, hasehoy ny hafalianao, fa hajao koa ny hafa, indrindra tsy tokony hisy ny fanimbana fananan’olona toy izao. Raha sanatria resy aza izany ny Barea, angamba mety zava-doza no hiseho, mety hisy handoro tranon’olona indray angamba.

Naneho ny alahelony moa ilay olona vaky fitaratra fiarakodia: “mampalahelo ahy ianao ry Malagasy. Fa rehefa mandresy moa izany ilay Barea dia manimba zavatr’olona izay nikelezana aina sy manao embouteillages. Tsy haiko hoe fa dia nahoana loatra re e! Dia hanao ahoana tokoa raha sanatria resy. Asa mety mandoro trano sy fiara. Tsy avotra ny toe-tsain’ny olona sasany amintsika. Nefa indrisy fa maro loatra izy ireo.. Inona moa no hatao fa dia ny hanarina ny fiara vaky fitaratra izany no hatao !”, hoy izy.