Raharaham-pirenena – Tongava mifidy hanafay an’ireo mpanao hosoka amin’ny fifidianana

Ny Valosoa

Tongotra mby andakana, izay no ilazana ny firosoana amin’ny fifidianana Ben’ny Tanàna sy Mpanolotsainan’ny Tanàna, ka tsy hihemotra insony, efa samy miomana ho amin’izany ireo kandida sy ireo mpiaradia aminy, ary samy miketrika mafy izay fomba ahombiazany ny tsirairay.

Ho an’ny vahoaka vonona hampandresy ny kandida Rina Randriamasinoro sy ny mpanolotsaina Tiako i Madagasikara dia mizotra tsara ny fandresen-dahatra, fa ny ady mafy indrindra dia ny fampidirana ao an-tsain’ireo mpifidy fa tsy hisy intsony ny hosoka sy ny halabato satria efa niaraha-nahita ny zava-niseho tamin’ny fifidianana teo aloha fa nisy hosoka voarindra na “ fraudes organisées”, efa fantatra amin’ny antsipiriany ireny toejavatra ireny ankehitriny, satria natao antondraharaha mihitsy ny nanadihady ny fomba fangalarana rehetra ary efa hita ny fomba hiatrehana izany, na ara-pitaovana, na ara-panofanana ireo mpisehatra rehetra hirotsaka amin’izany, ao anatin’ny fanajana lalàna avokoa ny fanaovana ity ady masina ity, masina ny nandraisana azy satria ady amin’ny asan’ny ratsy.

Tsy ho tanisaina eto ny paikady efa maty paika, satria amin’ny maha paikady azy dia tsy fanoratra amin’ny gazety izany , ireo mpifanandrina dia manapempo ny sain’ny vahoaka tia fandrosoana tsy harisika amin’ny fandatsahambato, ka mitanisa ny hoe aza mandany andro mandeha mifidy fa tsy maintsy hisy hono ny halabato sy ny hosoka, misy fahamarinana izany saingy amin’ny ampahany ihany satria ireo efa mpangalabato dia tsy maintsy mbola hangalatra, f’ireo nangalarana kosa dia tena ho mailo tanteraka ary handray ny fepetra henjana, koa tongava mifidy ry Antananarivo fa efa manangasanga ny fandresena.