EDITO 21 Novambra – Mifangaro ny fampielezan-kevitra sy ny asa fampandrosoana ny firenena

Sôh’son

Dimy andro sisa dia hikatona ny fotoana nomena alalana hanaovana fampielezan-kevitra ao anatin’izao fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina izao. Efa manana ny safidiny ny olom-pirenena mpifidy na dia mbola mitohy aza ny fampielezan-kevitra ataon’ireo kandidà miaraka amin’ny mpanohana azy. Ny tsikaritra dia mbola zatra ny lalan-dririnina ny kandidàn’ny fitondrana sy ny fitondrana mihitsy, ka fahavaratra avy no mitady mbola hanao hitsin-dalana. Efa vonona sy sahy hiatrika fifidianana tanteraka ny kandidà avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) ary vonon-kandresy. Tsy hanaiky ihany koa amin’izay fihetsika miala amin’ny ara-dalàna ataon’ny mpifaninana aminy toy izay nitranga tamin’ny fifidianana rehetra teo aloha.

May volon-tratra ihany ny avy amin’ny fitondrana ka manao ireo fihetsika hanasana ati-doha ny vahoaka amin’ny fidinana an-tsehatry ny filohan’ny Repoblika etsy sy eroa ary miseho hamaha ny olam-bahoaka na mizara zavatra samihafa. Hatramin’izay anefa tsy hita firy manao izany fa ao anaty fotoanan’ny fampielezan-kevitra vao mody miezaka mafy amin’izany. Maninona raha tena hanao lalao madio dia haato aloha ny hetsika fitokanana etsy sy eroa rehefa amin’ny fotoana toy izao, na olon-kafa ihany ao anaty fitondrana no manao izany. Dia hatramin’ny resaka fanaovan-tsakafo sy fivarotan-kanina avy aza no notokanana. Tena tokony ho andraikitry ny filohan’ny Repoblika ve izany ary manandrify ny toerana misy azy ve? Mba olom-panjakana hafa mifanandrify amin’izany no tokony ho nitokana izany raha ho an’ny mpandinika maro. Fa ao anaty fotoanan’ny fampielezan-kevitra ary tiana hotohanana mafy mba ho lany ny kandidàn’ny antokony satria tsapa ho “maivan-kitsaka” ihany dia atao avokoa izany rehetra izany.

Aoka hanana fijery vaovao tena andrasan’ny vahoaka amin’ny fitondrana efa hatramin’ny ela amin’ny fampandrosoana ny firenena, fa tsy ho variana amin’ity kajikajy politika lava ity, izay hita ny naharatsy azy indrindra tao anaty tetezamita.