TONGA NY ORA

Tonga ny ora ankehitriny ka dia tena mila faizina,
Ireo nitondra ny vahoaka tamin`ny maimbo sy ny maizina.
Efa fantatrao ny lokony dia ny lokon’ny papay,
Ka sahia miteny hoe: eo ‘nareo fa ampy izay !

Tonga ny ora ankehitriny ka dia asehoy mazava,
Fa isika dia tsy miaraka amin’ny olona mpandrava.
‘Ndeha tohano ny mpanangana, ‘zay ilay hoe safidy tsara.
N‘aiza n‘aiza dia fidio ny TIAKO I MADAGASIKARA!

Tonga ny ora ankehitriny iandrandrana fanavaozana.
Ny mpanimba firenena, tena aleo mihitsy ilaozana.
Aoka ho tsapany mihitsy ny hadalana izay nataony,
Fa tsy ny vahoaka intsony no ho lasa kilalaony.

Tonga ny ora ankehitriny, aoka tsy hilasilasy.
Asehoy ny herintsika ry vahoaka Malagasy.
Aoka tsy hatoritory fa meteza handray anjara.
N‘aiza n‘aiza dia fidio ny TIAKO I MADAGASIKARA!

DADAN’i RIANA (18-11-19)