Mendrika hitantana ity firenena ity ve i Andry Rajoelina raha dia mamono ny hasina sy ny hambo-po maha-malagasy?

Tranga androny faha-18 novambra 2019 tetsy Waterfront Ambodivona no nitarika ity fametraham-panontaniana ity hoe: mbola mendrika ho filohampirenena ve i Andry Rajoelina raha mamono ny hasina sy ny hambo-po maha-malagasy?

Nanome voninahitra ny vondrona maorisianina Eclosia ny filoha Andry Rajoelina tamin’ny fanokafan’izy ireto ny sakafo maika na “fast-food” KFC tetsy Ambodivona, tamin’ny fomba manetriketrika. Tsiahivina fa ny mampalaza ity sakafo maika KFC ity, izay misy maneran-tany, dia hen’akoho voaendy avy amin’akoho atavizina, ary ny mpanjifa tena kendrena dia ireo tanora sy mareforefo noho ny vidiny mirary. Dia gaga ny tena hoe filohan’ny repoblika indray ity no mitonantonana mitokana ny fanokafana ity sakafo maika KFC ity. Mba menatra ihany ny tena hoe dia tsy misy andraikitra hafa maika sy mavesa-danja sahanina ve ny filoha, toy ny fijoroana amin’ny “îles éparses” izay nodinihina ny andron’io ihany koa, no dia zary mitokana ity sakafo maikam-bahiny KFC ity sisa.

Tsy vitan’izany fa araka ny tati-baovao dia hanolotra ny tsy lany rehetra isan’andro an’ireo vondrona sahirana manodidina ny toeram-pisakafoanana ny KFC. Ny fandraisan’ny filoham-pirenena anjara amin’izany tetikasa izany dia toa midika fanaovana tsinontsinona ny Malagasy. Tsy misy ve fomba hafa hampiakarana ambony ny ambo-po maha-malagasy fa dia ambon-kanina omena azy ery no sisa mendrika hanaovana dokambarotra?

Raha itodihana kely ny lasa dia tsaroina fa nanaovan’ireo mpandraharaha maorisianina tamba-be i sefo Mbinina, tompon’ny “Gastro Pizza” izay nanomboka niroborobo tatsy amin’ny Nosy Maorisy ny taona 2014, ary dia voatery nampiato izany fitarana izany. Kanefa iny taona iny ihany dia nampiditra entam-barotra maro toy ny savony sns ny mpandraharaha maorisianina izay nisy fiantraikany mafy teo amin’ny orinasa sy ny lanjambola malagasy ary tsy voatohitry ny fitondrana.

Ity sakafo maika KFC ity dia hisy fiantraikany amin’ny sehatry ny tsena malagasy toy ny akon’ny Gastro Pizza tatsy amin’ny Nosy Maorisy, kanefa toa tsy hisy ny tamba-be hanosehana azy hampiato izany fitàrany izany. Ary tsy vitan’izany fa tambazotra lehibe no ao ambadika ao: eo ny orinasa Avitech mamokatra akoho kely iray andro, eo ny orinasa LFL mamokatra sakafo ho fanatavizana biby, eo ny orinasa Farmshop mivarotra ny akohokely ho an’ny mpiompy mba hampatavy azy mandritra ny 40 andro hahatratra 2,3 kilao, ary ireto mpiompy farany no mamarotra ny akoho, izay hisian’ny KFC ho isan’ny mpividy.

Izany rehetra izany dia mampiseho fa mitanila ny fitsipi-dalao eo amin’ny tsenam-barotra. Tsy avela hisandratra ny Malagasy ary tsy arovan’ny fitondrana. Toa manjary mifandraika amina mpamadika tanindrazana no fahitàna an’ity filohampirenena Andry Rajoelina ity, kalaza amin’ny velirano kanefa rehefa halalinina dia mamono ny Malagasy. Tsy hadino ny tetika fitotofana tanimbary etsy Ambohitrimanjaka, na koa ny fikononkononana halabato izay ho tombontsoan’iza indray. Koa iza àry sisa no hiaro an-dRamalagasy sy ny tanindrazany raha etsy ankilany koa ny mpiaro ny fampiharana lalàna sy ireo tandroka aro vozon’ny firenena toa miondrika eo anatrehan’ilay filohampirenena mpamadika tsy mendrika hitantana ity firenena ity?

Lanzelo