MITOHY NY FANALANA SEFO

Mitohy ny fanalana sefo izay ataon’ny fitondrana.
Misy ireo nafindra toerana, misy koa ireo nodakana.
Akamakama mpisolelaka no indreny fa nakarina,
Ka dia asa ny orinasa raha mba tena ho tafarina .

Raha ny hatreto aloha tsy miova fa dia JIRAMAty ihany:
Rano tapaka isan’andro, jiro koa torak`izany.
Ny “maloto” sy ny “maizina” no indreo tafara-dia.
(Toa sarintsarin`ny mpitondra sy jiolahy mifankatia !)

Mitohy ny fanalana sefo hatrany anaty fokontany.
Mampiseho fa hala-bato no omanina any ho any.
Tsisy zavatra mazava mba manaraka lalàna
Fa dia hoe: ampandreseo ny kandidan-drafanjakana !

Mitohy ny fanalana sefo, izay no marika hamantarana
Fa ny dian’ny mpitondra, tsy ho ela dia hifarana .
Sokina nanani-bato ry zalahy mpirehareha ,
Ka mazava ankehitriny: tapi-dalana haleha.

… Tsy ny fanalana sefo, tena tsy izany intsony,
Fa fialàn’ny ankiray ilay misonanina eny ambony,
Izany sisa no antenaina fa hanova ny tantara
Sy hanalana avy ao an-davaka an’i Madagasikara.

DADAN’i ZINA (17-11-19)