Matahotra loko mena ny fitondrana sy ny IRD/IRK/MAPAR/TGV

Barea tetsy Mahamasina – Nampidiran’ny fitondrana resaka politika
Helisoa

Vakiana fotsiny hoy ny fitenin-jatovo izay, nampidiran’ny fitondrana resaka politika ny lalaon’ny Barean’I Madagasikara tetsy Mahamasina, nihaonany tamin’i Ethiopia. Efa nambara tamin’ny fomba ofisialy fa mena ny akanjon’ny BAREA tokony ho nanaovany tamin’io lalao io. Rehefa nahatsapa ny mpitondra fa manome vahana ny Tim ny loko mena dia novana ho maintso indray , mandainga ny mpanafatra fa mena hono ny an’i Éthiopia ka voatery nanova isika mpampiantrano, izay tokony ho nametraka ny loko izay mety aminy. Voaporofo fa tsy mena indray ny an’ny vahiny fa mavo. Midika izany fa matahotra loko mena ny fitondrana sy ny IRD/IRK/MAPAR/TGV.

Aza asiana resaka politika ny baolina fa an’ny malagasy rehetra io. Ny dokam-barotra aza efa natao hoe manaova daholo akanjo mena isika, hataontsika mena midorehitra i Mahamasina. Talohan’ny lalao, voatery tsy maintsy najanona ny dokam-barotra tao amin’ny TVM sy ny RNM milaza hoe: manaova akanjo mena midorehitra, satria matahotra an’i Rina ny fitondrana, matahotra ny TIM, matahotra ny filoha Marc Ravalomanana… Efa fantatry ny mpijery fa mitady hijapy ny Bare any filoha Rajoelina, ka dia nahazo siontsioka fanoherana azy ihany koa izy tao Mahamasina.